airtel

Politique

10-oct-2022

Politique

Sahirana i Rajoelina Ny ataon’ny ekipany ihany no hamotika azy

Sample post image

Afera maloto, fanjakazakana, fanaparam-pahefana, tsy fananana etika politika, trafika,… samy manamarika ity Fitondrana Andry Rajoelina,

10-oct-2022

ary voaporofo hatrany ilay fanasokajiana nataon’ny vazaha tamin’ny tetezamita hoe: “sans qualité”. Ny eo tsy tapitra, ny eo misosoka ihany, ary tsy vaovao intsony ny mandre mpitondra voatonona amin’ny afera maloto sy ny toetra mamohehitra. Mba hisy tohiny ve ny raharaha mahakasika ny Depiote Lanto Rakotomanga momba ny fitaterana hazo avy any amin’ny faritra Alaotra Mangoro?
MODY ADALA
Aiza ny Fanjakana sy ny mpomba ny Fitondrana eo anatrehan’ireny sa hodiana adala tahaka ny efa nisy hatrizay? Isan’ny voalaza fa hiaingan’izany ny ao amin’ny Kaominina Didy, izay mahagaga tokoa fa raha olon-tsotra no mitondra fanaka kely iray vita amin’ny hazo tsy ho tafavoaka mihitsy, kanefa ny traktera sy ireny fiara “6x6” ireny mandeha ho azy. Mahatratra 200 000 Ar hatramin’ny 300 000 Ar no hitondran’ireo mpitatitra ny fanaka “salon” vita amin’ny voamboana avy any Ambatondrazaka miakatra aty Antananarivo, ary mila manome ny mpitandro filaminana eny an-dàlana raha hitan’izy ireo ny entana, izay entin’ireny fiara sprinter na crafter tsy misy fitaratra mitatitra entana fotsiny ireny. Antony mahatonga ireo mpitatitra hampidangana ny saran’ny fitondrana azy, ary betsaka aza ny tsy sahy mitondra. Mila taratasy fifindra-monina ho an’ny tompony, mbola hilan’ny mpitandro filaminana vaniny eny an-dàlana,… Fanaka efa vita, mety fananana nipetraka an-taonany, saingy izany no manjo ny olom-pirenena, fa ny depiote IRD afaka mamoaka alalana hitatitra bolongan-kazo amin’ny fotoana rehetra. Lojika raha miteny fa mila omena taom-piasana 4 I Andry Rajoelina, hay mba ahafahana mangoron-karena sy manao afera maharitra.
TSY VAO SAMBANY
Tsy vao sambany, fa efa nisy ilay afera vola 2 baoritra sarona tamin’ny 2015 niventesana ny hira hoe: “hay teo foana I Kristy”,… Tsy misy tahotra sy henatra intsony ny afera maloto, maimbo afera ny fitondrana, tsisy etika, lany henatra, samy manao izay reviny,… Taiza hatramin’ny naha Madagasikara antsika no nisy hoe: volamena tao anaty vatan’ny Minisitera nivadika korontam-by dia vitavita ho azy, soliky ny Jirama 64000L manjavona fa tsisy tohiny, solika mitapoka, volam-panjakana 51 miliara Ar voahodinkodina mandritra ny valo volana monja ho an’ity 2022 ity fotsiny.
FIHETSIKA MANAHIRANA
Eo iny raharaha iny, fa isan’ny nanamarika ny sary politika tamin’iny faran’ny herinandro ihany koa ny fihetsiky ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena na ny SEG Jeneraly Serge Gellé. Niseho ampahibemaso naneho ny loko politikany tamin’ny fihaonamben’ny Antoko TGV tany Fenoarivo Atsinanana. Tsy afaka maneho ny hevitra politikany imasom-bahoaka ny miaramila noho ny tsy fitanilana politika takiana amin’ny miaramila, raha ny lalàna. Somary sarotra ny adihevitra satria toerana politika no misy azy. Na izany na tsy izany, tsy finiavana hanakiana, fa ny miaramila indrindra fa ireo manamboninahitra ambony dia sokajiana ao anatin’ilay hoe: “La grande muette”, saingy matetika loatra no hahenoana sy hahitana ny SEG miteny sy manao fanambarana politika, ankoatra ny fanehoan-kevitra samihafa ataony. Manaratsy endrika hatrany ny fitondram-panjakana ireny karazana tranga hafahafa misesisesy ireny ary ny adalana sy tsy fahaiza-miaina ataon’ireo manodidina azy dia mametraka ny Filoha Rajoelina amina toerana sarotra sy manahirana. Mazava fa efa mahafantatra ny tsy mety ataon’i ranona sy ranona izy , saingy sahirana hanapa-kevitra satria « akama » ireo, nisy efa mpanohana hatramin’ny 2009 ka raha ahilika eo atahorana hamoaka tsiambaratelo na hamadika palitao mihitsy aza. Ka inona moa izany fa dia ny ataon’ny ekipany ihany no hamotika an’i Andry Rajoelina ny farany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap