airtel

Politique

12-janv-2024

Samy zanatany frantsay izao ihany

Madagasikara sisa no tena taraiky

Sample post image

Mahavita mandany 760 tapitrisa Euro handraisana ny CAN na

12-janv-2024

tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra izay hanomboka rahampitso 13 janoary ankehitriny i Côte d'Ivoire. Antsoin’ireo mpamakafaka toekarena hoe "dragon de l'Afrique de l'Ouest" moa amin’izao fotoana izao ity firenena ity sy i Sénégal noho ny fivoarana ara-toekarena hita ao amin’ny firenena roa tonta. Samy firenena zanatany frantsay taloha niaraka tamin’i Madagasikara izao ihany saingy i Madagasikara sisa taraiky, raha tsorina ny fomba filaza azy. Mampametra-panontaniana hoe mbola mitombina ve ilay teny hoe "tsy misy zanatany frantsay mandroso izany", hoy ireo mpanara-baovao? Côte d'Ivoire tsy nanao ohatran'i Mali na Burkina Faso na i Niger. Sao dia mba ilay fomba fitantanana, karazana halatra sy kolikoly no tsy maha tafavoaka an'ireo zanatany frantsay sasany fa ohatran'i La Frantsa foana no lazaina fa mampahantra an'ilay firenena, hoy hatrany ny fanontaniana isan’ny mipetraka? Na ireo nosy rahavavin’i Madagasikara aty amin’ny ranomasimbe indianina izay nitsiriritra ity firenena ity fahiny sy azo lazaina hoe naka filamatra azy tamin’izany fotoana aza moa dia zary lasa saika fitsoaham-ponenan’ireo malagasy te hitady fiainana tsaratsara kokoa noho ny eto daholo ary ny tena nampalahelo tato anatin’ny 5 taona farany fara-fahakeliny dia na ireny rendrika an-dalana nahafaty olona maro ireny ny sambo nitondra azy ireo an-tsokosoko na naverin’ireo firenena nidirany an-tsokosoko taty an-tanindrazana ireo malagasy mba nikasa hanao izany. Maorisy, Kaomoro, Maioty, Seisely, Maldive, La reunion, iza amin’ireo izany sisa izao no mety mba maka filamatra an’ity nosy malalantsika ity?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap