airtel

Politique

14-mars-2022

Politique

SEG Jeneraly Gellé Serge Niantso ireo minisitra mibodo toerana hiala

Sample post image

Mpikamban’ny governemanta isan’ny naneho hevitra voalohany mikasika ny fanovana ny governemanta ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly Gellé Serge.

14-mars-2022

 Samy miandry an’Ambatobevohoka ho teraka indray ny rehetra eo anatrehan’ity fanovana ity satria efa ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika no nilaza fa misy minisitra vitsivitsy hoesorina? Inona no mampihisatra indray ny raharaha amin’izao fotoana izao? Nilaza ity manamboninahitra ambony ity, fa tokony hanaiky am-pitoniana ny fanapahan-kevitry ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra ny tsirairay, mikasika ny fanendrena ny mpikambana amin’ny governemanta. Samy nanao ny vitany, hoy izy, ny olom-boatendry tsirairay saingy tsy maintsy misy ny tombana sy ny fanavaozana. “Tsy ao anatin’ny governemanta ihany no ahafahana mandray andraikitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Na ny voatazona hanohy ny asa maha minisitra, na ny voatery mijanona dia tokony hanohy ny fandraisana andraikitra hatrany”, hoy ity tompon’andraikitra ambony ity. Mifono zava-dalina io fanehoan-kevitra io. Misy olona mibodo toerana ve ao anatin’ny governemanta ka ity jeneraly ity no nampitenenina hanome lesona ireo mety ho mandrahona ny Filoham-pirenena. Voalaza mantsy fa misy ny sahy mibetroka na manebaka ny Filoha ireo minisitra ankehitriny, misy ny mandrahona hamoaka dosie vao hesorina eo amin’ny toerany, misy ny manambana ho lasa mpanohitra, nisy rahateo ihany koa ny efa nampitandrina mba tsy hiheverana fa tsy mahavita tena irery hitondra izao fitondrana izao ny antokon’ny Filoha saingy efa nilaza ny tsy hiditra anaty governemanta ny faran’ny herinandro teo,… Mety ho azy manokana no nitenanan’ny SEG fa tsy voatery ho ao anatin’ny governemanta ihany no ahafahana mandray andraikitra ho an’ny fampandrosoana, raha toa ka hesorina ny tenany. Amin’ny lafiny iray, dia mety karazan’ny fanomezan-desona ireo minisitra midingin-drambo ankolaka na mivatana tsy hialaza mba hahay hanaja tena sy hanaja ny safidin’ny Filoha. Mandeha ny feo fa mety hiova ny Praiminisitra, ary mety ho manamboninahitra Jeneraly ka mety ho isan’ny hisafidianana izany ve ny SEG ankehitriny sa isan’ireo hotazonina na koa mety handao ny governemanta ihany koa?
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nolazain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho efa vonona ny famatsiam-bola

Card image cap
03-mai-2024

Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy araka ny fahefa-mividy,

Card image cap
03-mai-2024

Mandeha ny fanamarihana fa hatramin'ny 1991 dia ny kandidà Toavina Ralambomahay ao

Card image cap
03-mai-2024

Toy ny fanaony mahazatra dia nanofana ireo vehivavy kandida hilatsaka hofidiana

Card image cap
02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap