Fifidianana izany, mazava ho azy, no antony hahatongavany eto fa tsy dia fahoriam-bahoaka loatra, hoy izy. Efa misy foana eto amin’ny tany sy ny firenena ny fifanarahana politika na “accord politique”. Tsy mampaninona ahy raha “accord politique” mankany amin’ny fitoniana. Tsy maneva an’I Madagasikara intsony ary tsy lamaody intsony izany krizy aorian’ny fifidianana izany. Efa nanana tombony ara-demokratika be isika ary tsara tohizana raha tsy hiteny afa-tsy ny tany amin’ny 2014 raha lany filoham-pirenena ilay filoha teo aloha voalaza teo. Nomen’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina azy tsara, tsy nisy gidragidra tamin’izay ny fanalahidy. Tahaka izay koa ny tamin’ny 2018 rehefa lany ny filoha Andry Rajoelina dia nanao fifamindram-pahefana tsy nisy rahoraho. Efa nisy fifamindram-pahefana miisa 2 izany izay teto tsy nisy krizy taorian’ny fifidianana dia andao tohizana. Tsy tsara intsony ny ahita malagasy hifamono eto na malagasy hilatsaka ny rany noho ny tsy fitovian-kevitra. Ambany dia ambany ny fisainan’ny mpanao politika mbola hivoy ady, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,