airtel

Politique

22-nov-2024

Soalihy Moussa

«Tsy tombontsoam-pianakaviana no natao ho jeren’ny mpanohitra»

Sample post image

Aza miheritreritra ianareo hoe mahafaly ny mpitondra ny mahita mpanohitra miady izany,

22-nov-2024

hoy ny mpahaifiarahamonina sady filozofa, Soalihy Moussa. Tsara ny mifandamina ihany, hoy izy. Ilaina ny mpanohitra to teny na «crédible» manohitra fotokevitra, mitondra praograma. Raha marisarisa toy izany ny mpanohitra dia tsy dia misy endrika demokratika loatra ny firenena iray tsy misy mpanohitra izany. Tokony ho maodely koa satria misy ampahana olona mihaino sy manaradia azy ireo. Ny tena adidin’ny mpanohitra dia mitondra praograma hanoherana ny praograman’ny mpitondra fa tsy sanatria akory mpanohitra dia ny tombontsoan’ny fianakaviany no jereny na ny tombontsoany manokana no antony hanoherany. Tsy tombontsoam-pianakaviana no natao ho jeren’ny mpanohitra. Mila mitondra praograma mijery tombontsoam-pirenena ny mpanohitra. Anjaran’ny olona, noho izany, no mitsara hoe iza no tena mpanohitra raha izay no tena tokony ho andraikitrin’ny mpanohitra anaty firenena iray, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap
28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap