Soava Andriamarotafika, namaly ny praiminisitra Ntsay Christian, dia efa nijery ny ho enti-mihetsika rehetra amin’ity fikarakarana fifidianana ity miaraka amin’ny sora-bola takian’izay moa izany satria fitaovana no takian’izay. Adihevitra no ifanaovana amin’io, hoy izy. Ny praiminisitra rahateo moa iny efa niteny hoe azo atao ny mijery azy na dia nasiany karazana fanamarihana aza ny hoe misy ireo fitaovana noheverina fa tsy voatery ho vidiana fa mbola azo ampiasaina. Anaty fanisana na “inventaire”-n’ireo fitaovana rehetra nampiasain’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI mipetraka any amin’ny ratsamangaika toy ny distrika izahay. Manomboka amin’ireny vata fandatsaham-bato tanteram-pahazavana ireny izany. Antoka ahafahana milaza ireny adihevitra ireny fa hisy ny fifidianana satria misy miheritreritra na miezaka mandemy fisainana mihitsy hoe tsy hisy izany. Aorian’ny “inventaire” izahay no mahita hoe ireto no fitaovana mbola azo ampiasaina na tsia. Misy mety any anaty fanisana, ohatra hoe fiarakodia, fa rehefa dinihina io dia tsy azo ampiasaina intsony anaty rafi-panjakana, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,