airtel

Politique

19-mars-2024

Soava Andriamarotafika

«Tombanan’ny maro an’isa mbola ho lany i Poutine»

Sample post image

Miisa 4 ireo kandida ho filoham-pirenena rosianina nirotsaka ho fidiana nandritry

19-mars-2024

ny fifidianana tontosa ny 17 martsa teo, hoy i Soava Andriamarotafika, solontenan’ny CENI Madagascar, manara-maso any Rosia omaly. Isan’ny nirotsaka, hoy izy, ny filoham-pirenena am-perinasa izay tombanan’ny mpanara-maso maro fa mbola manana herijika ho lany ao anatin’izao fifidianana izao. Notanterahina teto Moscou, renivohitr’i Rosia, ny fihaonambe iraisampirenena nandraisana firenena maro anjara ka isany i Madagasikara. Fihaonambe iraisampirenena niresahana ny tontolon’ny fifidianana ka nifototra tamin’ny lohahevitra hoe «Fifidianana masi-mandidy eo amin’ny raharaham-pirenena ary manaraka ny fenitra iraisampirenena». Ny 14 sy 15 martsa teo no notontosaina izany ary isan’ny nasaina i Madagasikara. Nanara-maso ny fifidianana koa ireo solontena tonga teto Moscou. Nidina hatrany ambanivohitra rehetra any. 3 andro misesy no nanatontosana ny fifidianana dia ny 15 hatramin’ny 17 martsa teo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap