airtel

Politique

19-mars-2024

Soava Andriamarotafika

«Tombanan’ny maro an’isa mbola ho lany i Poutine»

Sample post image

Miisa 4 ireo kandida ho filoham-pirenena rosianina nirotsaka ho fidiana nandritry

19-mars-2024

ny fifidianana tontosa ny 17 martsa teo, hoy i Soava Andriamarotafika, solontenan’ny CENI Madagascar, manara-maso any Rosia omaly. Isan’ny nirotsaka, hoy izy, ny filoham-pirenena am-perinasa izay tombanan’ny mpanara-maso maro fa mbola manana herijika ho lany ao anatin’izao fifidianana izao. Notanterahina teto Moscou, renivohitr’i Rosia, ny fihaonambe iraisampirenena nandraisana firenena maro anjara ka isany i Madagasikara. Fihaonambe iraisampirenena niresahana ny tontolon’ny fifidianana ka nifototra tamin’ny lohahevitra hoe «Fifidianana masi-mandidy eo amin’ny raharaham-pirenena ary manaraka ny fenitra iraisampirenena». Ny 14 sy 15 martsa teo no notontosaina izany ary isan’ny nasaina i Madagasikara. Nanara-maso ny fifidianana koa ireo solontena tonga teto Moscou. Nidina hatrany ambanivohitra rehetra any. 3 andro misesy no nanatontosana ny fifidianana dia ny 15 hatramin’ny 17 martsa teo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Rehefa tsy tazana sy tsy re feo nandritra

Card image cap
06-août-2026

soa eto ireo firenen-kafa?»

Card image cap