airtel

Politique

26-mars-2026

Solontenan’ny

fiarahamonim-pirenena ao amin’ny CENI

Sample post image

Misokatra koa ny fanaterana dosie

26-mars-2026

Vita iny ny an-drizareo te ho mpikambana tanaty governemanta sy ao anaty governemanta fa etsy ankilany, raha ny fampitàm-baovao omaly, dia misokatra koa amin’izao fotoana izao ny fanaterana dosie ho an’izay te ho solontenan’ny fiarahamonim-pirenena ao amin’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI. Banga hatreto ny toerana miisa 2 natokana ho amin’izany, araka ny voafaritry ny fanapahana laharana 07-HCC/D3 ny 12 martsa 2026 navoakan’ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC. Manoloana izany, ho fampiharana ny didim-panjakàna laharana 2021-867 ny 1 septambra 2021 dia miantso ireo fiarahamonim-pirenena manana fahavononana ho amin’izay andraikitra izay ny vaomiera mpikarakara fifidianana eo anivon’izay fiarahamonim-pirenena izay na «commission ad’hoc». Isan’ny andraikitra ho sahanin’ireo solontena 2 avy amin’ny fiarahamonim-pirenena ao anatin’ny CENI ny fikarakaràna fifidianana, ny fanaovana tombana mikasika ny mampety na tsia ny fanatanterahana fifidianana ary mitondra ny tenin’ny fiarahamonim-pirenena mikasika ny raharaham-pifidianana. Tsy maintsy mizaka zom-pirenena malagasy kosa ireo solontena ary tsy latsaky ny 40 taona. Anaty lisitry ny mpifidy sy tsy mbola niharana fanenjehana ara-pitsaràna. Tsy mpanao politika ary fara-faha ratsiny in-droa nandray anjara tamina raharaham-pifidianana. Anio alakamisy 26 martsa sy rahampitso 27 martsa 2026 moa no fanaterana ny antotan-taratasy mifandraika amin’izay, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-mai-2026

Ny raharahanareo depiote alamina tsara!»

Card image cap
06-mai-2026

ny fisamborana an-dRaholdina »

Card image cap
06-mai-2026

fiampangan’ny Antenimierampirenena

Card image cap
06-mai-2026

sy ny Minisitry ny Fitsarana…

Card image cap
06-mai-2026

Nisokatra omaly ny fotoam-pivoriana

Card image cap