fidiana ho filoham-pirenenan’ny kandida, Hajo Andrianainarivelo. Misaotra ny antoko politika MMM, hoy ity kandida ity, nanolotra ahy ary mamerina ny antso ho an'ny olom-pirenena rehetra hifanome tanana amiko satria tsy mora ny fanarenana ny firenena. Manao antso avo ho an'ny olompirenena malagasy rehetra hifanome tanana amiko hanavotra ny firenena sy ity taninjanaka iombonana ity, hoy izy. Solontena na “mandataire” izay notarihin’ny mpitondra teny sady mpisolovava ny antoko, ny Maître Rija Rakotomalala, moa no nanatitra ny dosien’ity kandida heverina fa isan’ny goavana ity tetsy Ambohidahy. Sahy isika hanova ny lalan-tantara eto Madagasikara, hoy i Hajo Andrianainarivelo. Manamafy ny MMM fa ny fanekena hiroso sy handray anjara amin’ny fifidianana akory tsy midika fa fanekena ny tsy fanarahan-dalàna mbola hita taratra eo anivon’ny CENI sy ny fikarakarana fifidianana. Isan’ireo miombona ny amin’ny tokony handaminana ny tontolom-pifidianana mialohan’ny tena hiatrehana izany ny antoko, raha mbola azo atao ihany, ary namerina hatrany ihany koa fa tsy azo ekena ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenenana olona efa nisafidy ny hanary ny zom-pirenena malagasy ho atakalo zom-pirenena vahiny.
J. Mirija
Feno ireo tondro maneho sy manamafy ny fisavoritahana ao anaty Fanjakana, ankoatra ny tondro ara-tsosialy,
Hanomboka anio Alatsinainy 02 Jona amim-pomba ofisialy ny fananganan-tsaina
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,