Amin’ny maha raiamandreny anareo izay, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho, dia tsy tokony hampitahotra ianareo hoe matanjaka ny foloalindahy ka raha vao mihetsika eo ny vahoaka dia tsy ampy ny herin’ny foloalindahy. Tsy toetra tokony hananana raiamandreny izany, hoy izy. Ny fahendrena dia ny mitady vahaolana fa tsy fampitahorana. Miantso ny mpitandro ny filaminana ihany koa hoe aoka ianareo mba hiara-hientana amin’ny vahoaka satria ianareo avy amin’ny vahoaka dia miverina amin’ny vahoaka. Mianjady aminareo koa ny fahasahiranana sy fahantram-bahoaka. Tokony hiray hina amin’ny vahoaka fa tsy hampitahotra azy indray ny tafika sy fitondràm-panjakàna, hoy hatrany ny antoko politika Natiora!
J. Mirija
Kisarintsarina Fahaleovantena no mbola misy eto Madagasikara hoy ny Ben’ny