airtel

Politique

14-janv-2025

Tafika sy fitondràm-panjakàna

«Tokony hiray hina amin’ny vahoaka fa tsy hampitahotra azy !»

Sample post image

Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.

14-janv-2025

Amin’ny maha raiamandreny anareo izay, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho, dia tsy tokony hampitahotra ianareo hoe matanjaka ny foloalindahy ka raha vao mihetsika eo ny vahoaka dia tsy ampy ny herin’ny foloalindahy. Tsy toetra tokony hananana raiamandreny izany, hoy izy. Ny fahendrena dia ny mitady vahaolana fa tsy fampitahorana. Miantso ny mpitandro ny filaminana ihany koa hoe aoka ianareo mba hiara-hientana amin’ny vahoaka satria ianareo avy amin’ny vahoaka dia miverina amin’ny vahoaka. Mianjady aminareo koa ny fahasahiranana sy fahantram-bahoaka. Tokony hiray hina amin’ny vahoaka fa tsy hampitahotra azy indray ny tafika sy fitondràm-panjakàna, hoy hatrany ny antoko politika Natiora!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap
28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap