ka amin’ny maha kandida ny tena dia miantso foana ny fiarahamonina, ny fiaraha-mientana ho an’ny rehetra, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina omaly, raha nifidy teny amin’ny Birao fandatsaham-bato tetsy Behoririka. Nomarihiny, fa na misy aza ireny zavatra ireny, dia tena hafa mihitsy, ary zava-dehibe ny nahita ny fiaraha-mientan’ny olona nandeha nifidy, taitra tokoa ny olona, ary mahatsiaro izahay, fa tafita ny hafatra, hoy izy. Na iza na iza ho lany, rehefa taitra tahaka izao ny olona dia mahafinaritra ny mahita ny valiny, hoy izy. Andrasana ny vokatra ofisialy, fa hatreto dia eo amin’ny laharana fahatelo ny kandida Tahina Razafinjoelina, raha mifaninana hiady ny voalohany kosa ny kandida Tojo Ravalomanana sy Harilala Ramanantsoa. Nitondra fijery vaovao sy fanovana ara-politika i Tahina Razafinjoelina, ary tafita tamin’ny olom-pirenena na mety ho amin’ny ampahany ihany aza matoa io aloha ny vokatra, izay isaorana ny vahoaka tsivakivolo na ny nifidy na ny tsy nifidy azy. Miha resy lahatra ny Malagasy fa ny fanabeazana no lakilen'ny fampandrosoana. Nisy moa ny fanambarana niraisan’ireo kandida miisa 5 niantso mangarahara sy fanajana ny lalàna eo anatrehan’ny toe-javatra nampiahiahy maro. Nolazain’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly, fa miendrika fampielezan-kevitra ankolaka tao anatin’ny andro fahanginana na « silence électorale » ny fanambarana izay nataon’ireo kandidà nahitana an’i Tahina Razafinjoelina, Gascar Fenosoa, Monja Roindefo, Ndriana Razanamasy, ka nolazaina fa midika tsy fanajana ny lalàna. Nambaran’i Tahina Razafinjoelina, fa tsy nisy resaka hoe : fidio aho tao, fa nisy kosa ny ahiahy satria nivoaka farany ilay lisi-pifidianana fanampiny amin’ny « ordonnance » dia feno hadisoana. Taiza hoy izy no nisy hoe : lehilahy Philippe ny anarany, dia ny reniny Philippe ihany koa ny reniny ary tsy zavatra iray fa an’arivony ka ahoana no tsy hitenenan’ny tena amin’izany ? Ny sasany sady tsy misy ray no tsy misy reniny dia ahoana no namoahana ny taratasiny ? Feno hadisoana kosa ilay izy ka tsy maintsy izahay, hoy i Tahina Razafinjoelina. Raha misy tokony handraisana fepetra hentitra dia ny fitsabahan’ny Fanjakana tamin’ireny fampandaniana olona ireny, toy ny tany Toamasina nisian’ny hoe : amin’ny anaran’ny Ray, ary talohan’ity fifidianana ity dia nisy hoe : mahaiza mifidy fa izay tsy miaraka amin’ny Fanjakana manjary manahirana. Mangarahara no notakianay, ary saintsaino fa amin’ny 35000 nivoaka dia manodidina ny 22000 tena manahirana satria mitovy, feno hadisoana, misy vehivavy iray niteraka 16 tsy nanambady dia ahoana hahanginanay sy hijery fotsiny. Raha ohatra mijery ny zavatra miseho dia betsaka ny fahadisoana na avy amin’iza na avy amin’iza ary nisy antoko iray ihany koa nanao fanambarana nandeha irery, ka tsy hitako izay tena olana. Tsy hoe tonga dia ekena io, fa misy fitsarana io, misy fandalinana,… hoy i Tahina Razafinjoelina.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny