kandida ben'ny tanàna teto an-drenivohitra. Ho feno fitahiana ary hitondra fahasalamana sy fahombiazana ho antsika mianakavy anie ity taona ity hoy izy . Andao hibanjina ny ho avy, andao hitazona ny fahamarinana sy ny finoana isika hoy i Tahina R. Manara-baovao hatrany moa ny tenany ary anisan'ireo nihaino ny lahatenin'ny filoham-pirenena ny 31 desambra 2024 lasa teo ka hoy indrindra ny fanehoan-keviny taorian'izay : aoka izay ny toetran-jiolahimboto, raha fantatra fa tsy nety dia andao ahitsy. Raha fantatra fa lainga dia aza ampanantenaina intsony fa tsy mpisoloky akory ny mpanao politika. Tsy ny fahaizana mampanantena tsy misy tompoko no fahaizana politika, fa ny fahaizana mampandroso, hoy i Tahina Razafinjoelina. Niandry aho , hoy izy hoe ho tsinjaraina firy isan-jato any ifotony ny volan'ny fahasalamana sy ny fandriampahalemana ka tsy ho ory fitaovana intsony ireo hopitaly sy ireo mpitandron'ny filaminana amin'ny asany isan'andro. Niandry aho hoe ho tsinjaraina firy isan-jato eny amin'ny tontolo ambanivohitra ny volan'ny fambolena sy ny fiompiana ary ny asa vaventy ka ahavita irony asa madinika nefa manimba famokarana. Ahavita fampiofanana ka ahafahan'ny tantsaha hamokatra hampihena itony fanafarana lava ka hampiakatra ny sandan'ny ariary. Eny, mbola miandry aho, mbola miandry isika. Fa hatramin'ny rahoviana, hoy i Tahina Razafinjoelina. Nangonin'i RTT
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby