airtel

Politique

03-nov-2023

TAHINA RAZAFINJOELINA

« Manana adidy hijoro isika »

Sample post image

Matoa izahay nankaty dia fantatray fa tsy maintsy manjaka ny marina .

03-nov-2023

Manana adidy be isika manoloana ireo manoloana ny zavatra tsy mety eto, ka izao no izy : ianareo tsirairay ireo , ataovy ny « mission ».Alaivo sary izay olona manome vola anareo fa fahotana mahafaty izany amin’ny fifidianana. Mandehana mba mody mankany dia alaivo ilay zavatra , alaivo sary fa tonga dia vita ny afera.Manana adidy isika olo-marina hijoro ka hanafaka ny firenena. Mazava ny antso ataon’ny Vondron’ny kandida eto fa tena tongan y fotoana hijoroan’ny olom-pirenena hanoherana ny tsy rariny sy ny fandikan-dalàna, ka mila porofo izany, mila fandraisana andraikitra. Tsara atao fantatr’ireo zatra lalan-dririnina mpividy safidim-bahoaka ihany koa fa efa fantatra ny paikadiny ary manomboka maro no sahy mijoro hamaky ambatomapy ny afera maizina. Fanairana ny olom-pirenena ihany koa ity hafatra nentin’i Tahina Razafinjoelina omely teny Ambohitrimanjaka ity fa tsy ampy ny mitatitra fotsiny hoe nisy an’izao sy izao fa mia mandray andraikitra manangonm-baovao sy mitondra ny porofo mba hahafahana miady amin’ny tsy marina sy ny tsy rariny, satria sarotra ny manambaka olom-pirenena sahy mijoro mandray andraikitra izany. Ary iono manova ny toetry ny mpitondra sy manampahefana mba tsy hanandra-tena ho andriamanitra kely fa tena miasa mba hanompo vahoaka sy firenena marina.
Nangonin’i RTT 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap