airtel

Politique

27-mai-2025

Tahina Razafinjoelina

“Mila vahaolana fa tsy tapi-maso hamoronana mpangataka matihina !”

Sample post image

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

27-mai-2025

herin’ny masoandro, araka ny fanazavana nentin’ny Jirama omaly. Saingy raha ny zava-misy, zary lasa fitadiavana ala-olana no manjaka, fa tsy vahaolana mahomby entin’ny Fanjakana. Ny politikan’ny fanapena-maso sy ny fitetrena ny vahoaka ho tony amin’ny kitolotolotra no toa lasa rafitra fitantanana eto. « Mba mijere lavitra fa aza variana amin’ity tapi-maso tapi-maso lava ity. Vahaolana no ilaintsika. Efa misy ve ny angovo azo havaozina? Izahay dia porofo ! Marina fa milatsaka kely amin’ny ririnina, fa farafaharatsiny aloha miasa ny olona. Tokony ho mitodika makany ny politikantsika, fa tsy hoe miantso vazaha karamaina lafo be dia hoe hanao fahagagana. Tsy resaka fankahalana an’ilay vahiny, fa ny vahaolan’io dia iraisam-pirenena, » hoy i Tahina Razafinjoelina, naneho hevitra tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Firenena manana olana isika, hoy izy, nefa manana masoandro ka tokony mitodi-doha makany/
“AZA AVERINA INTSONY NY FANAPENA-MASO, FA VAHAOLANA NO ATAO”
Hamafisiny fa tsy azo ekena intsony ny fomban’ny fitondrana manome fialan-tsiny lava. « Any amin’ny hopitaly tsy resahana intsony ny fahatapahan-jiro mahafaty olona. Tsy misy an’izany hoe Malagasy fa mahantra! Be maty be! Izao izao mangatsiaka be ny andro, mila tafo, mila miasa ny olona, fa tsy hoe: hanolotra tafo tsinjo na bodofotsy tsinjo. Tsy vitan’ny Fanjakana izany. », hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. « Izay mihitsy ve no tanjon’ny Fanjakana hoe hamorona Malagasy maro ho mpangataka matihanina, hampalahelo, hiankina amin’ny vary tsinjo…? » hoy izy. Nomarihiny fa zary lasa misy sary maneho fa tany fihafiana ny fiainana eto Madagasikara noho ny fahantrana tsy tena misy vahaolana mahomby, izay ny asa sy famokarana no vahaolana. Araka ny fanehoan-keviny, dia tsy mahagaga raha maro ny tanora no mieritreritra fa fivoahana any ivelany no dikan’ny fahatafitana. « Lasa tany fihafiana eto. Betsaka ny tanora no mihevitra fa ny fialàna eto no valiny. », hoy hatrany izy, izay nanamarika fa isan’ny fositra sy mampiana-dratsy ny fihetsiky ny mpitondra. « Ianareo milaza fa milamina ny eto, ka nahoana ny zanakareo no alefa mianatra any am-pita? Nahoana raha vao marary dia mandeha mitsabo tena any ivelany? Dia lasa aseho ho toy ny hoe: ratsy ny eto, fa any andafy no tsara. Ary izany indrindra no mahatonga ny tanora hieritreritra fa tsy misy hoavin’ny firenena eto an-toerana. ». Ny mpitondra efa zary manao valalan’amboa ka raha samy hiezaka hitady làlana ho any ivelany avokoa moa ireo sokajiana ho vato nasondrotry ny tany dia iza no mba hijery sy hitari-dàlana amin’ny fanarenana an’ity Firenena ity ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap