tao anatin’ny fandaharana manokana nandeha tamin’ny haino aman-jery samihafa. Maro be, hoy izy, isika mpifidy no mieritreritra hoe tsy hanova na inona na inona izany fifidianana izany, ary tsy manam-pinoana ny ho tafita. Raha manary finoana ianao dia efa tahaka ny hoe tsy mino an’Andriamanitra intsony. Diso ny manary finoana sy ny fahakiviana, ary aleo miala eto amin’ny firenena raha hanao izany. Tsarovy anefa fa fahotana ny fahakiviny, tena diso izay kivy, hoy izy. « Aza kivy izany ianareo, aza kivy isika fa lalam-piainan’ny firenena rehetra izany, ary nisy aza nandalo ady. Jereo ny firenena niady tahaka an’i Rwanda sy Korea Atsimo fa mandroso be ry zareo amin’izao fotoana. Ary tandremo fa araraotin’ny mpanao politika be kajy isika raha kivy ahafahana mahazo ny maro an’isa satria ny kivy tsy handray anjara, dia mora ho an’ny voavidy vola no mandeha, dia milaza ny hafa avy eo fa mpandresy. Tafiditra anaty tanjon’ny mpanao politika raha vao tsy mifidy », hoy i Tahina Razafinjoelina. Noho izany, mila mandray andraikitra ka tongava mifidy, fa any indray no ahafahantsika mahazo ny tanjona hiadiana amin’ny jadona sy tena hampandrosoana ny firenena. Ny atao hoe firenena mandroso dia betsaka kokoa ny vola miditra noho ny vola mivoaka. Izany ve nozava-misy eto amintsika ?
MILA DEPIOTE TSY MPANARA-DRENIRANO, FA HIADY NY TOMBOTSOAN’NY MARO AN’ISA
Ny misy dia toa faly ery ny manampahefana manafatra entana avy any ivelany, vary, toy ilay katsaka 47000 taonina. Mizara 3 ny zava-misy amin’ny fiainam-pirenena sy ny fampandrosoana : na mamokatra, na mijirika na manjifa fotsiny. Isika manana ranomasina sy tany lemaka midadasika be. Mba mananana fanontaniana aho ny kianja lazaina fa manara-penitra io ve mamokatra, ny teleferika io ve mamokatra, ny autoroute io ve mamokatra ho an’ny vahoaka sy ny firenena kanefa nandaniana vola be 300 tapitrisa dolara, 1200 miliara ariary ireo. Ny autoroute aza natao dia najanona indray ! Matoa io mandeha dia nolanian’ny depiote maro an’isa ny famoahana volabe, ka eo am-pelantanan’ny solombavambahoaka ny manitsy hoe : tsy mety amin’ny vahoakanay io, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Ny dikan’izany dia manampahefana ny solombavambahoaka , tsy manara-drenirano fotsiny fa tokony tena saropiaro hoe mba miteraka tombotsoa amin’ny distrika any aminay, ny mponina any aminay ve io fotodrafitrasa handaniana vola be io. Tena tompon’andraikitra mila mandray andraikitra ny solombavambahoaka.
EO AM-PELANTANANTSIKA NY HO AVY, ANDAO HOFEHEZINA NY FITONDRANA
Amin’izao fotoana anie potika ny lalana hany ka lasa lafo ny entana satria sarotra ny famoahana ny vokatra sy ny entana, toy ny makany Toamasina. Ny any Amoron’i Mania faritra fahatelo mahantra indrindra. Tena eo am-pelatanantsika ny fanomanana ny ho avintsika, amin’io alarobia 29 mey io. Eo am-pelanantanantsika ny ho avintsika, tongava isika mifidy fa rehefa maro be ny mpifidy dia mihena ny tahan’ny halatra sy ny fahadisoana. Tena nivadika mihitsy ny tanjon’ny fitondrana ka tsy fampandrosoana fa propagandy isan’andro. Fa maninona raha miasa fa ny asa propagandy ho azy ho anao. Ireo mpitondra ankehitriny ireo mbola manana fanantenana ka tokony hiasa fa tsy hoe : maty ity olona ity dia asiana makiazy. Tokony hivadika ho tia miasa, ka ny solombavambahoaka no afaka manatsimbadika izany, raha ny nambaran’i Tahina Razafinjoelina. Nambarany noho izany, fa nisy tokoa ny tolona tamin’ny 2023, antony fototra ny fitakiana ny hanajana ny lalampanorenana, tsy mila filoha vazaha, tsy hanana filoha Malagasy intsony izany isika manomboka izao ? Avo dia avo iny tolona iny ary masina iny. Tsy ho vita mora izany, ka ankehitriny andao aloha ho fehezintsika ao anatin’ny antenimierampirenena, fahefanana mpanao lalàna aloha ity fitondrana variana amin’ny rendrarendra ity, tena miala tsiny aho fa rendrarendra avokoa ! hoy i Tahina Razafinjoelina.
Toky R
Tsy mahantra fa ampahantraina hatramin’izao ny malagasy, hoy ny mpikatroka eo
Tapa-taona aty aorian’ny fanapahana tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny septambra 2024
Fanamby amin’ny fahantrana ity fa tsy fanamby eo amin’ny isika samy isika, hoy ny
Politika ivelan’ny firenena no atao hoe diplaomasia, hoy ny antoko politika
Tena manao izay ho afany ireo mpiaro ny filoham-pirenena sy mpiaro izao fitondram-panjakana
Tsy miova ny fomba fijerin’i Madagasikara amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo, dia ny famerenana »,