fikasàna hanala ny ben'ny tanàna, Toky Rakotondrazaka, haparitak'ireo mpanaradia ny mpifaninana aminy dia nampahatsiahy ireo vahoaka mpiaradia amin’ity ben’ny tanàna ity omaly fa efa vita «passation de service» na fifamindram-pahefàna, efa vita «investiture» na fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny 28 febroary 2025 lasa teo ity ben’ny tanàna ity. Izahay vahoaka ety ifotony dia mijoro ary miteny fa matoa izy voafidim-bahoaka dia maro be ireo vahoaka manohana sy nifidy azy, hoy ny fanambaràn’ireo solontenan’ny vahoaka manohana ity ben’ny tanàna ity. Vao 3 volana monja dia efa azo tsapain-tanana ireo asa nataony toy ny lalan’Avaratsena, Ambolo, «Dalle» sy lalana eo tampon-tanàna, fanamboarana tetezana sy fanasan-damba, barazy eny Ankonabe, fahazoana famatsiam-bola sahady avy any amin'ny ambasadin’i Alemanina momba ny fametrahana rano fisotro madio ao amin'ny fokontany Andranotsimihozo. Ankoatran'izay ny fanatanterahana asa sosialy sy ny fanomezan-danja ny vehivavy sy ny tanora ary ny tantsaha ka tena nakotroka ny fankalazana ny 8 marsa farany teo. Efa mandeha ihany koa ny «réhabilitation» an’ny EPP Talata sy EPP Avaratsena. Izy ihany koa dia efa nanambara fa ben'ny tanànan'ny vahoaka rehetra ary hiara-hiasa amin'ny rehetra, indrindra fa ny fitondram-panjakana, mba ho tombotsoan'ny tanàna nihaviany. Manoloana izany dia miantso ny fitondram-panjakana sy ny «Conseil d'État» na filàn-kevim-panjakàna izahay ny hijerena akaiky ny raharaha Talata Volonondry satria dia tena voafidy ara-dalàna izy ary nandresy mazava kanefa dia aelin'ireo mpanaradian’ny mpifaninana aminy fa azy ny fahefana ka ho esorina amin'ny toerany ny ben'ny tanàna. Matoky tanteraka ny fitsaràna sy ny fitondram-panjakàna, araka izany, izahay mponina ety ifotony, hoy hatrany ity fanambaràna ity.
Nangonin’i J. Mirija
Kisarintsarina Fahaleovantena no mbola misy eto Madagasikara hoy ny Ben’ny