airtel

Politique

23-févr-2026

Tanora MFM

Namboly hazo sy nikatro-doha

Sample post image

momba ny raharaham-pirenena

23-févr-2026

Namboly hazo ny tanora MFM na Mpitolona ho an'ny fampandrosoana an'i Madagasikara ny sabotsy 21 febroary 2026 teo. Tao amin'ny fokontany Fenomanana, firaisana Morarano, fivondronana Arivonimamo no nanatontosana izany, raha ny fampitam-baovao voaray. Karazan-janakazo fihinamboa toy ny litchi sy zavoka efa mihoatra ny 40 cm ny halavany no nambolena. Nafarana avy any Analavory ireo zanakazo ireo. Efa nisy ny lavaka lehibe sady lalina efa voalavaka mialoha niaraka tamin'ny zezika ary notondrahana avy hatrany ny voly rehefa tomombana izany rehetra izany. Nezahana mba hiavaka amin'ilay mahazatra izay hita fa tsy mahomby satria dia maro no voavoly nefa vitsy no maniry sy lehibe. Vitsivitsy saingy tsara. Izay vita ary azo antoka fa ho voakolokolo no natao. Ny samy tanora MFM ihany no niantoka manontolo ny fandaniana. Ankoatry ny fambolena dia nisy koa ny katrodoha niresahana politika sy raharaha-pirenena ary indrindra nisy fifanakalozana tamin'ireo tantsaha, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Lohavehitra 7, ho voaresaka ireo raharaha mafana ?

Card image cap
21-août-2026

Raha vao miresaka fianakaviambe

Card image cap
21-août-2026

ary mahafantatra tsara ny fiasan’ny SADC»

Card image cap