airtel

Politique

18-janv-2023

Politique

Taom-baovao 2023 Tonga nirary soa ny Filoha ny FFKM

Sample post image

Tonga teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, nitondra ny firariantsoa ho an’ny Filoham-pirenena amin’izao taona vaovao izao ireo Filoham-piangonanana, mpitarika ny fiangonana mikambana ao anatin'ny FFKM,

18-janv-2023

nahitana ny filohan'ny fiangonana FJKM, ny mpitarika eo anivon'ny fiangonana Katolika, ny Anglikanina ary ny fiangonana Loterana. Efa fanaon’izy ireo isan-taona io amin’ny maha Raiamandren’ny Firenena ny Filoha. “Mankasitraka manokana ireo mpitarika rehetra eo anivon’ireo fiangonana ny tenako noho ny finiavan’izy ireo hampanjaka ny firaisankina sy ny fihavanana”, hoy ny fanambarana nataon'ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, raha nandray azy ireo ny andron’ny omaly. "Izao fihaonana izao dia mampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny firaisam-pinoana sy ny tsy fisaraham-bazana eo amin’ireo antokom-pinoana misy eto amintsika. Isika rehetra miray hina no afaka hiaraka hanorina ho avy mamiratra sy feno fiadanana ho an’ity Nosy ity. Hotahiana sy ho arovan’Andriamanitra hatrany anie ity firenentsika ity", hoy ny filoha Rajoelina. Na izany na tsy izany: mampametra-panontaniana ihany ny zava-misy, raha mandinika ny raharaham-pirenena ankehitriny. Ny Raiamandreny am-panahy dia raisina ho isan’ireo olona to teny sy sokajiana ho arofanina farany amin’ny zava-manjo ny firenena sy ny vahoaka. Ny Fiangonana dia mpaminany, ary tsy misorona miteny sy mamampaneno lakolosy eo anatrehan’ny zava-manjo ny vahoaka sy ny firenena. Betsaka ny fanairana na koa tsikera mahery vaika nataon’ny Fiangonana, miampy tolo-tsaina samihafa hanintsian’ny Mpitondra ny tsy mety. Fa moa tena manan-kasina sy to teny amin’ny mpitondra ankehitriny ve ny Fiangonana? Mba tena misy ve ny finiavana hihaino sy hanitsy ny tsy mety sa sanatria lasa rano atondraka an-damosin-gisa ary sanatria toa lasa mandrefy sy manangam-pahavalo ny mpitondra fivavahana aza ny olom-panjakana sasany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap