airtel

Politique

03-nov-2022

Politique

Tetibolam-panjakana 2023 Tena hahatanterahana ireo balarora maro ve ?

Sample post image

Efa tonga eo anivon’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023.

03-nov-2022

Milaza anefa ny depiote mpikamban’ny Kaomisionina ara-bola fa mbola tsy nozaraina tamin’izy ireo io ka nametrahan’izy ireo fanontaniana hoe: inona no antony? Milaza ny Fanjakana Fanjakana etsy ankilany, fa mifanaraka amin’ny PEM (Plan Emergence Madagascar) ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023. Samy miandry izay mety ho endriny ny rehetra satria tsy ho tahaka ireo taona nifanesy teo aloha hatramin’ny nahazoan-dRajoelina ny fahefana ity, fa kihon-dàlana farany ho azy. Ny sary niseho ny 28-29 oktobra, dia efa tahaka ny fampisehoan-kery ara-tserasera sy fanombohana propagandy indray, ary hatramin’ny vahiny aza manamarika an’io. Fampanantenana maro no tao anatin’ny PEM izay nanao kivorivory teny amin’ny CCI Ivato. Tena manana tetibola sy vola hoenti-manatanteraka izany ve ny Fanjakana Rajoelina? Vonona hanohana izany ve ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola? Raha ireo zavatra notanisaina mantsy, betsaka no efa hatrany amin’ny taona 2020, nisy efa tany amin’ny tetezamita no notanisaina, tao ny efa nofaritana tao anatin’ilay Plan Marshall 1043 miliara Ar nireharehan-dRajoelina ny jona 2020, tao ny efa notanisaina tao anatin’ny kabary tany Taolagnaro ny 04 aogositra 2020 fony mbola nahery vaika ny coronavirus. Anisan’ireny ny ozinina mpanao simenitra, tramway, flyover, pipeline any Atsimo, autoroute makany Toamasina, teleferika, làlam-pirenena samihafa, tanamasoandro, trano 50000… Tsiahivina hatrany fa ny 15 febroary 2021, nisy ny fivoriana niaraka tamin’ny PTF toa nandresen-dahatra tamin’ny PEM, saingy ny PMDU (Plan Multisectoriel d’urgence) no nambaran’ireo fa hotohizana hatramin’ny jona 2021, ary nilazan’ny Praiminisitra fa aorian’izay tonga dia mitohy amin’ny PEM. Inona anefa no teo? Mbola resabola ihany koa ny tetibola ho an’ny Jirama sy ny Air Madagascar. Ity farany izay nambara fa hahazo fiaramanidina maromaro ka asa hoe: hovidiana sa hanofa? Hiatrika fifidianana isika ny taona 2023, ka andrasana ny mety ho fipetrak’izay ao anatin’ny tetibolam-panjakana. Mbola tsy marin-toerana sy tsy mazava mantsy hatreto ny tohana ara-bola avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena tahaka ny Vondrona Eoropeanina izay nametraka fepetra samihafa toy ny fanamboarana ny lalàmpifidianana. Isan’ny hanamarika ny taona 2023 ihany koa ny fandraisantsika ny lalaon’ny Nosy raha tsy votsotra noho ny tsy fahamatorantsika. Mila roa taona ny fanomanana, matetika volana aogositra eo ho eo ny lalaon’ny Nosy izany hoe: 8 volana sisa hanomanana. Ahoana ny momba ireo fotodrafitrasa goavana toy ireo kianja raitra hatao ao amin’ny Tanamasoandro izay efa nanaovana makety samihafa, ny ivon-toerana goavana ho an’ny fanatanjahantena nampanantenaina taorian’ny fahombiazantsika tamin’ny Afrobasket farany teo,… Hanao ahoana ny tetibola hanatanterahana ireo zavatra maro nampanantenaina sy hatao? Azo atao ihany koa anefa ny manoratra fotsiny an’izany satria fahita eto ihany koa ny hoe: ny sora-bola misy fa ny bolongam-bola tsy misy, ka ho toy ny fampanantenana poakaty hatrizay ihany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap