airtel

Politique

03-déc-2025

Thierry Rakotonarivo

« Horaisina ny andraikitra hisian’ny fifidianana madio… »

Sample post image

Horaisina ny andraikitra hahafahana

03-déc-2025

mametraka didy aman-dalana hifehy ny fifidianana vaovao hoy Thierry Rakotonarivo omaly Talata 02 Desambra raha nanatanteraka fihaninana tetsy amin'ny Cour suprême Anosy ny tenany. Toraka izany koa hoy izy ny fametrahana rafitra matihanina tsy miandany sy tsy mitanila amin'ny atsy na roa hisian'ny fifidianana marina sy eken'ny rehetra. Fa tsy latsa-danja amin'ireo hoy hatrany ity tompon'andraikitra ity ny fanabeazana ny vahoaka mba ho mpifidy sahy mandray andraikitra sy miaro ny safidiny izy ireo. Na inona na inona anefa hoy izy ezaka hataon'ny Voamiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny Ceni dia nomarihiny manokana fa miankina amin'ny Fitondran-panjakana foana ny vokatra mety ho azo. Efa betsaka izay tolo-kevitra nomena zay ho izy tany aloha saingy tsy nisy nanatanteraka. Ankoatra izay dia nasiany resaka ihany koa ny eny anivon'ny Antenimieram-pirenena izay misy ny fahefana mpanao lalana. Anjaran'ireto farany ihany koa mantsy ny mandany ny lalana mikasika ny fanavaozana sy fanatsarana ny fifidianana izay hangatahany fiaraha-miasa bé dia be. Mbola naaton'ny Fitondram-panjakana foibe moa ny fanavaozana ny lisi-pifidianana eto amintsika noho ny fandaminana sy ny fanavaozana tokony hatao raha tokony nanomboka afak'omaly Alatsinainy izany.
Pati
Légende : Faly amin'ny fiverenan-dRakotonarivo Thierry eny anivon' ny Ceni avokoa ny rehetra !
 

Dans la même rubrique

04-déc-2025

Maro no miha resy lahatra ankehitriny

Card image cap
04-déc-2025

Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena

Card image cap
04-déc-2025

Voatendry ho mpanolo-tsaina maharitry

Card image cap
04-déc-2025

aloha noho ny fifidianana tsy azo antoka…

Card image cap