airtel

Politique

10-mai-2023

Politique

TIM Ambohidrabiby Lany hitarika ny Pasitera Lazasoa

Sample post image

Nanatanteraka fivoriambe ny alahady lasa teo ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM ao amin’ny kaominina Ambohidrabiby.

10-mai-2023

Tonga tao avokoa ireo solontena avy amin’ny fokontany miisa 14 mandrafitra ny kaominina, hoy ny fanazavana. Nofidiana ny biraon’ny COM TIM ao an-toerana. Raha tsiahivina dia ny kandidan’ny TIM Ambohidrabiby ihany no nahatafiditra ben’ny tanàna tamin’ny anaran’ny TIM amin’ireo kaominina miisa 9 mandrafitra ny faritra B ao amin’ny distrikan’Antananarivo avaradrano. Tsy nahagaga, noho izany, raha i Pasitera Lazasoa izay ben’ny tanàna ao Ambohidrabiby ihany no nofidian’ny mpikatroka TIM mba ho filohan’ny COM TIM Ambohidrabiby satria izy no namelo-maso ny antoko sady mahafehy tsara ny kaominina. Nisy ny tatitra nataon’ny mpikambana nanatrika ity fivoriana ity fa misy olona mandeha moto mitety fokontany ao Ambohidrabiby amin’izao fotoana izao izay miezaka manaratsy ny ben’ny tanana sy ireo mpanolontsaina voafidy tamin’ny anaran’ny TIM ary misandoka fa nirahin’ny filoha Ravalomanana mba hanangana TIM vaovao ao Ambohidrabiby. Namafisin’ny mpikambana teto anefa fa iray tsy mivaky ny TIM Ambohidrabiby eo ambany fitarihan’i Pasitera Lazasoa ary maro ireo mpikambana vaovao tonga nanatevin-daharana, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap