airtel

Politique

24-mars-2023

Politique

TIM Boriborintany faha-6 Hanao lanonam-be rahampitso sabotsy

Sample post image

Hifampiarahana nahatratra ny taona vaovao 2023 ireo mpikambana ao anatin’ny Antoko Politika Tiako I Madagasikara ao anatin’ny Boriborintany fahaenina rahampitso sabotsy 25 martsa.

24-mars-2023

Ao Ambatolampy no hanatanterahana izany, lanonana hanasana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Hitarika sady mpikarakara ny lanonana ny depiote Todisoa Andriamampandry, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara ao anatin’ity Boriborintany iray ity. Nambarany omaly fa efa vonona tanteraka handray io lanonana io ny tenany sy ireo olomboafidy maro samihafa ao anatin’ny antoko TIM. Hisy ny toromarika omen’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ny olom-pirenena tsirairay avy mandritra izany mba samy ho avy hanamarina ny anarany ao anaty lisi-pifidianana. Hofaranana amin’ny fizarana nofonkena mitam-pihavanana izany. Omby miisa 4 no hovonoina mandritra izany ho fanomezana fahafaham-po ny mpikambana. Tsiahivina moa fa efa manomboka ihany koa ny fanofanana fanodinana savony maimaim-poana omen’ity solomvabambahoaka ity ho an’ireo mponina manerana ireo Fokontany telo ao aminy.
Pati
Legende : Ny depiote Todisoa Andriamampandry vvoafidy teny amin’ny boriboritany faha-6

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap