fa mba mahafaly ny fitomboan’ny mpanatrika tamin’ny fanasan’ny CENI satria teo aloha dia nisy ireo tsy tazana. Momba ny tatitra momba ny antontan’isa dia naneho ny TIM tamin’ny alalan’ny mpandrindra Nasionaliny Atoa Rakotonirina Jean Claude fa hita tokoa ny fiakarany satria 8% tamin’ny fihaonana farany, lasa 37,31%. Milaza io antoko io fa mametraka andrimaso manerana ny Nosy, ary naneho sy niantso fa raha miresaka mangarahara ihany dia tokony hisy tatitra isan’andro tahaka ny tamin’ny covid-19 satria somary nihazakazaka ihany izany 8% lasa 37%. Misy mpanao gazety havanana tokony ho afaka manao izany, hoy Atoa Rakotonirina Jean Claude. Nanao tsindro-paingotra kosa ny TIM manoloana ny hoe: CENI dia milaza fa antoky ny fahombiazan’ilay fanaovazana ny lisi-pifidianana ny fandraisan’ny Antoko politika anjara. “Tsy afaka ny handray andraikitra izahay Tompoko, raha tsy homena anay ny zo fototra anananay ahafahanay maneho hevitra malalaka. Manao fangatahana mamory olona amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny antoko, ny kabarin’ny filohan’ny TIM tsy nitsahatra nanentana ny olona manentana ny olona hisoratra anarana sy hanara-maso,… Mbola mitohy foana anefa ny sakantsakana atao aminay tsy hamory vahoaka hanao izay andraikitra izay. Fahazoan-dàlana avoakan’ny Prefet androany foanany rahampitso, ka izany rehetra izany no mbola hanentananay hoe: raha hifanome tànana ahitana vokatra isika aza mifampihantsara ivelatsihy eto, fa omeo ny zo fototra anananay ahafahanay manao ny andraikitray”, hoy Atoa Rakotonirina Jean Claude. Isan’ny nanatrika anio fotoana io moa ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin izay naneho, fa tsy misy sakantsakana izany rehefa ao anatin’ny fanarahan-dalàna.
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny