airtel

Politique

16-déc-2025

Tody Arnaud

«Hamafiso mandrakariva ny firaisankinanareo 5 mirahalahy!»

Sample post image

Hamafiso mandrakariva ny

16-déc-2025

firaisankinanareo 5 mirahalahy fa ianareo no lohany mitarika anay, hoy ny depiote teo aloha sady mpahay lalàna, Tody Arnaud! Ataovy mafy orina sy matotra tsara ny paikady entinareo hitondrana ny firenena, hoy izy. Mety kokoa raha atao haingana sy voadinika tsara ny fanapahan-kevitra raisina, indrindra, mikasika ny fanendrena ny tomponandraiki-panjakàna. Mila vahàna haingana ireo olana fototra ara-tsosialy tena mampijaly ny vahoaka. Raha azo atao, ravao ny CENI, HCC, antenimierandoholona, antenimieram-pirenena fa mbola maro ireo tsy maty voalavo an-kibo mody manohana sy mihatsaravelatsihy. Esory ireo olom-boafidy fantatra fa lany tamin'ny hala-bato miharihary. Aza miandry fikaonandoha vita afaka 2 taona vao handray fanapahan-kevitra hita fa maika sy mahasoa fa miandry asa mivaingana avy amintsika ny vahoaka, indrindra, ireo nitolona. Ataovy ny hanananay fitokisana anareo, ataovy mangarahara sy mazava ny fomba fiasanareo, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap