airtel

Politique

20-mai-2025

Toe-draharaha mafana

Hipoitra eny Tsimbazaza ve ireo minisitra 3 anio…

Sample post image

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

20-mai-2025

ao anatin’ny governemanta : minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ny Minisitry ny raharaham-bahiny Rafaravavitafika Rasata, ary ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, raha nyolavolana fandaharam-potoana natolotry ny mpanohitra. Mazava ho azy fa ireo toe-draharaha mafana eto amin’ny firenena toy ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana tsy nasiam-panintsiana, ny raharaha Iles Eparses, ary ny resaka Base Toliara no antony. Namafisin’ny depiote sady Filoha lefitra faha-7 ao amin’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko izay hita tamin’ny haino aman-jery omaly, fa fandikan-dalàna raha tsy tonga izy ireo, lasa hitsakitsahina ny zon’ny Malagasy satria solontenam-bahoaka ireo miantso. Raha ny lalàna dia tsy maintsy halefa mivantana amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM, raha tsy mandeha dia fandikan-dalàna, hoy ity farany. Zavatra iainan’ny vahoaka, mahaliana ny vahoaka, ary fahasahiranam-bahoaka no resahana ao. Nilaza i Siteny Randrianasoloniaiko, fa misy fahabangana miliara be dia be tao ka nahoana no tsy hapetraka ny fanontaniana. Ny resaka Iles Eparses dia tadidio, hoy izy, fa Frantsay ny Filoham-pirenena. Ny resaka Base Toliara izay misy ny Baobab ao Ranobe. Ity raharaha Iles Eparses ity izay toa nisy fifanipahana ny fomba firesaky ny Filoham-pirenena sy ny Minisitry ny raharaham-bahiny. Ny Lehiben’ny diplaomasia Malagasy izay nilaza fa tsy miova ny hevitr’i Madagasikara dia ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy. Ny Filoha andaniny nilaza fa 50 taona mahery no efa nisy fifandroritana sy samy nitazona ny heviny dia tsy ho tonga amin’ny vahaolana. Toa tsy noresahany intsony hoe : fitakiana, fa toa mirona any amin’ny resaka fiaraha-mitantana… Andrasana moa izay hitranga anio, fa ny herinandro lasa teo dia isan’ny nambaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Tokely Justion ny hoe : tsy anatin’ny volavolana fandaharam-potoana ny resaka fihaonana hatreto. Efa misy kosa ny taratasy mitondra ny datin’ny 16 mey nataon’ny depiote avy amin’ny fanoherana mikasika io fampiantsoana minisitra io. Hamaly izany ve ireo mpikamban’ny governemanta sa tsia ? Hahasahy hiatrika ireo depiote mpanohitra sa hokantsanana tsy ho anisan’ny fandaharam-potoana?
Toky R

 

Dans la même rubrique

10-juin-2025

Hafahafa, mampalahelo ilay zava-misy ankehitriny, hoy ny mpanao gazety,

Card image cap
10-juin-2025

Mikasa hanao fivoriana mikato-trano ao amin’ny Antenimierampirenena amin’ity talata ity,

Card image cap
05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap