tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Toe-draharaha politika miha mafana Misy fikasana hampiditra “Commando” vahiny eto ?

Mipariraka ny resaka sy ny ahiahy fa ahiana ny hisian’ny fampidirana miaramila milisy am-polony avy amin’ny

08-févr-2023

Sample post image

vondrona Wagner Rosianina eto Madagasikara atsy ho atsy noho ny vanim-potoana mafampana sy ny ho fiatrehana ny fifidianana. Avy any anivon’ny mpitandro filaminana aza no isan’ny niaingan’ity resaka ity. Tsy azo hamaivanina, ary anjaran’ny manam-pahefana sy ny mpitandro filaminana ny mandiso izany raha tsy mitombona tokoa satria ny ahiahy tsy hihavanana. Tahaka izany ihany koa ny fisorohana sy ny fepetra hafa mifandraika amin’izany raha sanatria ka misy tokoa ny ambana. Voalazan’ny resaka izay manomboka miparitaka fa hisy andiana commando avy amin’ny Wagner Rosianina ho avy hampiofana mpiambina olona ambony sy hampiofana “Gros bras” amin’io fifidianana io ho avy io. Tafiditra ao anatin’ny mety ho fampiofanana ihany koa ny fitifirana sy fisamborana olona mpanao fihetsiketsehana, fisamborana mpanao politika,… Ampahany voalohany ihany ireo commando avy amin’ny wagner ho avy fa mbola hisy ampahany indray ho avy hanao fampiofanana mikasika ny “anti-emeutes” handravana ny mety ho hetsi-bahoaka, ary ahiana ho tonga hatramin’ny fizarana basy tsirairay, hoy ny resaka mandeha. Ahiana ihany koa ny hisian’ny fampidirana fitaovam-piadiana avo lenta sy fitaovana hoentina miatrika hetsi-bahoaka, toy ny baomba mandatsa-dranomaso tsy zakan’ny maso sy oroina ary mety tena hanimba ny taovam-pisefoana. Voalaza fa ahiana ny ahian’ireo mpanohitra, ary misy mpanao politika vitsivitsy efa kendrena ao anatin’izany. Tsy finiavana hampisavorovoro saim-bahoaka na hanely vaovao tsy marina sanatria, fa tsy azo hamaivanina ny resaka mivoaka sy ny ahiahy. Madagasikara rahateo tato ho ato, nanomboka tany amin’ny faramparan’ny taona 2022, dia nanamafy ny fanaraha-maso antsika ny sampam-pitsikolovana avy amin’ny firenena matanjaka noho ny toe-draharaha hafahafa, ny loharanom-baovao momba ny mety efa fisian’ny vondrona mpampihorohoro eto saingy mbola matory sy miandry toe-javatra hitranga dia hanao ny ataony, ary anisan’ny toerana voasokajy ho iasan’ny Wagner I Madagasikara saingy niezaka nandiso izany moa ny Fanjakana. Niaraha-naheno sy nahalala ihany koa ny fidirana an-tsehatra mivantana na ankolaka nataon’ny Rosianina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018. Saropady ny resaka tahaka itony, saingy tsy azo hamaivanina, mety ho tafiditra ao anatiny ny resaka jeopolika, jeostratejika, ny resaka fampihorohoroana,

Toky R

Sary fanehoana

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus