airtel

Politique

02-oct-2025

Tokony hivoaka anio izay ho Praiminisitra

Rava ny tsena omaly tao Tsimbazaza, tsy hahavaha ny krizy…

Sample post image

Tapitra anio ny 3 andro nambaran-dRajoelina

02-oct-2025

fa hivoahan’ny Praiminisitra vaovao. Mbola adihevitra kosa ny tao amin’ny Antenimierampirenena omaly rehefa nisy ny fivoriana nampanantsoana ny avy amin’ireo vondrona parlemantera samihafa. Nivoaka ny efitrano fivorina ny solombavambahoakan’Ambatondrazaka Fidèle Razarapiera nilaza tsy manaiky ny firosoan'ny solombavambahoaka amin'ny dinika hanoloana Praiminisitra vaovao. Nilaza fa ny zavatra tokony hifampiresahan’ny solombavambahoaka manoloana ny zava-misy eto amin’ny Firenena. « Tokony henoina aloha ny feon'ny vahoaka midina andalambe fa tsy maika ny fanendrena Praiminisitra. Sokafy ny kianja'ny 13 mai hanehoan'ny vahoaka ny heviny. », hoy ity farany. Ny vahaolana entinareo manendry, ny zavatra takian’ny eny an-kianja manala, ny tsy fifampihainoana no niantomboan’ny krizy. Fihetsiketsehana fanehoan-kevitra an-dalambe no niaingana, nangatahana alalana fa tsy nahazo alalana hatramin’izao, hoy hatrany ity farany. Ny vovonana Firaisankina izay misy antoko maromaro dia efa namoaka fanambarana fa tsy handray anjara amin’izay governemanta eo. Andaniny, «miezaka mitady ny vahaolana rehetra ny antenimierampirenena tsy hisian’ny krizy lavareny. Nifanakalo hevitra ny vondrona parlemantera. Tsy mbola nisy zavatra tapaka fa hitohy rahampitso ny fivoriana. », hoy kosa ny Filohan’ny Antenimierampirenena Tokely Justin omaly. Rava aloha izay ny tsena omaly ! Andrasana izany hoe : hivoaka anio hariva ny anaran’izay ho Praiminisitra sa hihemotra ? Anarana 3 no voalaza fa mandehandeha, ka anisan’ny re fa mety hatolotry ny IRMAR ny PAN Tokely Justin, saingy misy anarana hafa izay voalaza fa olon’ny firenen-dehibe iray na akaiky azy no voalaza fa tsara toerana. Ny IRMAR raha ara-taratasy no manana maro an’isa sy manolotra anarana raha ny andininy 54 amin’ny lalàmpanorenana saingy tsy marin-toerana ve dia ilaina ny vondrona hafa ? Tena hamaha olana fototra eto amin’ny Firenena ve ny fanoloana ny governemanta sa fandrika politika entina hiarovana an-dRajoelina izay mitombo hatrany ny heloka itakian’ny vahoaka ny fialany ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap
04-juin-2026

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

Card image cap