airtel

Politique

29-nov-2024

Toky Mamiratra

«Tena hanao izay fara-herinay amin’ny fanaraha-maso ny vatonay izahay!»

Sample post image

Mpisehatra ara-tsosialy efa tao anatin’ny 12 taona izao ny tena, hoy ny filohan’ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

29-nov-2024

Toky Harilanto Andrianarivelo na Toky Mamiratra. Hitako, hoy izy, noho izany, ny marary amin’Antehiroka. Hita fa latsaka anaty lalina sy maizina ity kaominina ity ankehitriny. Marobe ireo tsy an’asa. Marobe ireo ankizy mirenireny fotsiny. Lasa mifoaka zava-mahadomelina. Izay no nanosika ny tena hirotsaka ho isan’ireo ho fidiana ben’ny tanàna ato anatin’ity kaominina ahitana fokontany miisa 9 niainako efa ela ity. Mba hitondra ny fahaiza-manao kelin’ny tena eo anivon’ny kaominina ary hanohy ireo asa sosialy rehetra bebe kokoa ho an’ireo mponina rehetra eto. Reny ny tena. Mampijaly eto Antehiroka ny lafiny fanabeazana. Be dia be ny ankizy tsy mianatra nefa raha vao tsy miofana na manana fahalalana ny anaty fianakaviana dia sarotra ho azy ireo ny mitady asa ahafahan’izy ireo mamelona ny eo anivon’ny tokantrano. Tsy vitan’ireo ray aman-dreny intsony ny manabe zanaka. Mila jerena koa ny resaka tsy fandriampahalemana sy ny fahasahiranana an-davan’andron’ireo mponina satria hita fa tena sahirana ny olona. Sady maloto no potika ny tanànan’Antehiroka amin’izao isika miteny izao. Mitaraina ireo mponina ary izahay moa tena amin’ny sehatra fandraisana ny fitarainan’ireo mponina mihitsy mba hahafahana mijery ny tena filàn’ireo mponina. Hiady hatramin’ny farany izahay amin’ny resaka kolikoly sy hala-bato ataon’ireo kandida hafa izahay satria efa mandeha ny resaka amin’izao fa maro izy ireo. Tena hanao izay fara-herinay amin’ny fanaraha-maso ny vatonay izahay ary mampitandrina sahady fa tsy hanaiky ny fikasàna hisopatra ny fahamarinana amin’io 11 desambra io! Efa mandeha daholo izao ny fanaraha-maso rehetra, hoy hatrany ity kandida mitondra ny laharana faha 5 na n°5 eny Antehiroka ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-déc-2024

Porofo iray indray izao fa misy tokoa ny fifanarahana eo amin’ireo olon’ny antokon’ny fitondrana sy ireo milaza azy hoe mpanohitra.

Card image cap
06-déc-2024

Averiko ihany, hoy ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo, Alexandre Georget,

Card image cap
06-déc-2024

Nahitsy ny kandida Tahina Razafinjoelina naneho omaly tamin’ny tafa mivantana tamin’ny haino aman-jery

Card image cap
06-déc-2024

Hatramin’izao, 15 taona mahery aty aoriana, dia mbola misy malagasy miantso ny malagasy mitovy aminy hoe foza» ihany.

Card image cap
06-déc-2024

Andro vitsy mialohan’ny fifidianana, mbola mametraka ahiahy goavana ny raharaha fanabontsinana

Card image cap
06-déc-2024

Manohana ary hampandany an’i Tahina Razafinjoelina amin’ny fifidinana ben’ny tanàna ho tanterahana ny 11 desambra 2024

Card image cap