airtel

Politique

13-août-2024

Tontolo politika

Nodimandry i Mohamed Rachidy

Sample post image

Banga iray indray ny tontolon’ny politika eto Madagasikara! Nodimandry omaly 12 aogositra 2024

13-août-2024

tetsy amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha Atoa Mohamed Haloa Rachidy. Tsy fahalamana momba ny fo no voalaza fa antony nitarika ny fahafatesany. Ny tenany izay vao namoy ny vady andefimandriny vao iray volana latsaka, ary izao nindaosin’ny fahafatesana izao ihany koa. Maro no nahalalana azy na teo amin’ny politika na ny andraikitra samihafa, ka anisan’izany ny naha mpikambana tao anatin’ny Antoko Leader Fanilo, mpikambana mpiara-nanorina ny Antoko HVM (Hery Vaovao ho an’i Madagasikara) ary efa Sekretera Jeneraly nasional’io antoko io izy, ary isan’ireo mpiara-mitantana ny Vondrona Panorama taty aoriana. Ny tenany no Tale mpiara-nandrindra ny fampielezan-kevitry ny Kandida Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana 2013, ary anisan’ireo mpanolontsaina manokan’ity Filoha teo aloha ity fony ity farany teo amin’ny fitondrana. Efa mpampianatra mpikaroka mpanampy tany amin’ny Oniversite Politeknikan’i Azerbaïdjan, Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama, mpikamban’ny komity stratejika momba ny angovo,… ihany koa ny tenany fahavelony. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap