airtel

Politique

11-mars-2025

Train urbain sy teleferika nihitsoka

Mampiesona, mikatso, mambotry,…

Sample post image

Ao anatin’ny 3 volana fahatelon’ny taona 2025 isika, saingy mbola tsy mandeha aloha ireo tetikasa

11-mars-2025

nimatimatesan’ny Fanjakana Rajoelina efa an-taonany maro, hatrany amin’ny taom-piasana talohan’izao. Efa hatrany amin’ny martsa 2023 no nanaovana andrana teknika ny « train urbain » fa mandrak’ity ny androany mbola tsy nandeha. Nisy fotoana aza ireo lohamasinina maty kapoka tany Fianarantsoa no voalaza fa nakarina teto hampandehanana izany !? Olana teknika sa olana ara-bola no tsy mbola nandehany ? Amoronankona - Soarano :12km sy Soarano-Ankorondrano 5km ve dia tena olana be an-taonany maro tsy vita ny tetikasa ? Ao anatin’ny taom-piasana iray mba tsy hilazana fa efa hatrany amin’ny tetezamita tsy mety tafavoaka ny baolina. Dia io ihany koa ny teleferika nandaniana 152 tapitrisa euros, saingy mbola tsy nandeha mantrak’ity ny androany. Ny volana oktobra 2022 no nilazana fa hovitaina ary hotratrarina mialohan’ny lalaon’ny Nosy (aogositra 2023) ny zotra volomboasary Anosy hatrany Ambatobe, kinanjo tsy izay no nitranga. Ilay zotra maitso mampitohy an’ Anosy, Andohalo, Ankatso aza moa toa nitsefotra tanteraka. Nolazaina herinaratra manokana no handefasana ny teleferika fa tsy ny an’ny Jirama. Nolazaina indray avy eo fa angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro no hampiodinana ny teleferika fa mahita tetikasa na fotodrafitrasa mifandraika an’izany atsangana eto Antananarivo ve ny rehetra ? Ny jona 2024, nolazain’ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence fa tsy nanaiky ny hanao tohana ara-bola na « subvention » hampiodinana ny teleferika ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Sarotra, hoy io fampahalalam-baovao io, ny hampiodina ny teleferika tsy misy tohana ara-bola satria tsy haharakotra ny fandaniana ny tamberiny avy amin’ny vidin’ny tapakila. Ny trosa 152 tapitrisa euros sy ny zana-bola tsy maintsy hefaina, ka 60 miliara Ar isan-taona eo mandritra ny 12 taona. Efa vita 100% ny fotodrafitrasa etsy Ivandry, toerana fiantsonana lehibe indrindra, hametrahana sy hikojakojana ireo « cabines» an’ny tetikasa teleferika, araka ny seraseram-panjakana tamin’ny alalan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana Atoa Gérard Andriamanohisoa ny 06 febroary ka hampiodinina amin’ny inona ? Mpandeha 40000 isan’andro no ambaran’ny Fanjakana fa handeha amin’io amin’ny sarany 3000Ar isaky ny mitaingina. Azo inoana ve ? Raha mahatratra 50% an’ilay 40000 dia misy olona 20000 isan’andro hitaingina tokoa, dia 120 tapitrisa euros isan’andro, ka ao anatin’ny 6 666 andro na ao anatin’ny 18,2 taona izany vao voaloa ny 152 tapitrisa euros na 800 miliara Ar eo notrosaina, mbola tsy voaresaka ny karaman’ny orinasa sy mpiasa manodina azy, ny fikojakohana, ny zana-bolan’ny mpampitrosa,… Tena fandrosoana sa fambotriana Firenena ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap