halafosan’ny vidin’ny zezika sy ny masomboly. Tsy mahaleo ny sarany intsony ny vidiny hany ka tena miraviravy tanana izy ireo arahin’ny tsy fisian’ny tsy fandriampahalemana. Nahatsapa izany ny Fonds de Développement Agricole sy ny tetikasa PURPA ka nanohana ireo tantsaha miisa 269 any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. Mitontaly 2. 421 kilao ny masomboly natolotra azy ireo omaly Alakamisy ka ny 20. 175 kilao no zezika ôrganika taroka ary 4. 035 kilao ny zezika NPK. Miisa 164 ireo vehivavy nisitraka izany. Ny BAD na ny Banky Afrikana momba ny fampandrosoana no namatsy vola azy ireo. Hisy moa ny fanaraha-maso hataon’ny tompon’andraikitra amin’ny fampiasana marina ireo fanampiana ireo.
Pati
Legende : Ireo tantsaha nisitraka ny fanampiana
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny