airtel

Politique

15-févr-2024

Tsy dia mahazo rirany amin’ny Tandrefana

Mitady vola tsy dia be fepetra amin’ny sinoa, arabo,…

Sample post image

Sahirana tanteraka ny fitondrana Rajoelina ! Mitsingevaeva eo amin’ny lafiny

15-févr-2024

diplaomasia, fiaraha-miasa iraisam-pirenena, famatsiam-bola,... Marefo ny fifandraisana amin’ireo mpamatsy vola mahazatra, raha tarafina amin’ny zava-mitranga ankehitriny. Naman’ny mihantona ny fanampiana ara-bola 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ny fiaraha-miasa amin’ny Banky Eoropeanina momba ny fampiasam-bola mihantona,… Mihamafy ny fepetran’ireo mpamatsy vola mahazatra amin’ny lafiny maro: toy ny tsy fanatosahana ny volam-panjakana any amin’ny Jirama sy ny resaka solika, izay manery tsikelikely makany amin’ny « vérité de prix », ny ady amin’ny kolikoly, fanajana ny demokraisia, Fanjakana tan-dalàna, demokrasia, zon’olombelona,… Betsaka ireo fandaharan’asan’ny mpitondra izay mijanona ho makety sy vinavina satria tsy misy famatsiam-bola. Vokany, miezaka mafy mitady tany malemy hanorenam-pangady ny mpitondra ankehitriny. Mitady hevitra mafy hahazoana vola amin’ireo vondrona na firenen-kafa tsy dia misy fepetra be mihoatra ny an’ny Tandrefana. Mirangorango mafy amin’ny sinoa, manao pimaso mafy any amin’ny Arabo, ka taratr’izany io fihazakazahana indray any Dubaï io. Manomboka maka toerana amin’ny famatsiam-bola ireo tetikasa lehibe ny sinoa. Ny arabo amin’ny alalan’ny BADEA no voafaritra fa hamatsy vola ny fananganana ny Fly Over izay mbola tsy misy tokontaniny aloha ny fanatanterahana azy, ny Ejiptianina no nahazo ny tsenan’ny fanamboarana « Autoroute » Antananarivo-Toamasina, saingy tsy tena mbola misy zavatra be misongadina aloha. Somary mihisatra kosa ny fanamboarana ny RN13 izay misy famatsiam-bolan’ny BEI, saingy toa ny am-paosy aloha no tena nahetsika amin’ny fanamboarana ny tapany voalohany 110km amin’ny 490km, ary ny orinasa goavana iray amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany no isan’ny asaina mitondra vola ao anatiny, mihisatra ary ahiana hitsefotra ny tetikasa sahofika hamokarana herinaratra 200MW eo noho ny fisintahan’ny orinasa Frantsay Eiffage sy ny tohiny manjavozavo eo amin’ny Fanjakana sy ny Neho,… Mitady izay harapaka ny mpitondra ary mety hahazo saingy tsy maintsy misy tambiny ! Tsiriritin’ny sinoa sy ny arabo mafy ny harenantsika toy ny tany, harena an-kibon’ny tany, volamena,… ka sao dia efa kajy efa vita ohatra ny resaka fanondranana volamena 15 taonina isan-taona, ireo fitrandrahana tsy ara-dalàna mirongatra,… ? Marina fa misokatra amin’ny rehetra isika fa hanao ahoana ny ho fihetsiky ny Tandrefana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap