airtel

Politique

08-févr-2024

Tsy manaiky ny tsy rariny

Mety ho kandida ben’ny tanàna i Andry Raobelina

Sample post image

Nanana ny maty moa izahay teo dia nangiana ho fanajana ny vatana

08-févr-2024

mangatsiakan’Itompokovavy Avotra, izay mpanadio tato aminay, hoy ny filoha tale jeneralin’ny Canal 7 event no sady filohan’ny antoko politika ARB na Anjomara sy rivo-baovao, Andry Raobeliny, nivoaka tamin’ny fahanginany manoloana ny raharaha Plaza Ampefiloha omaly. Nangataka izahay ny zoma hariva hoe tsy vita izao daholo ny mamindra ny entana dia nomen’ny minisitera hatramin’ny omaly (TTF : ny 6 febroary teo) hatramin’ny 12 alina hamindrana izany, hoy izy. Efa afaka daholo ny entana vita ny marain’izay ny fifamindram-pahefana dia efa any amin’ny minisitera izany izao ny fanalahidy. Maro ny tetibola na « investissement » natao tamin’io toerana io fa gaga ihany ny tena nahita ny minisitra teo aloha Paul Rabary nilaza fa tsy nisy na inona na inona nataon’ny Canal 7 event fa be dia be ny zavatra tsy voahaja. Izy moa niteny hoe ny minisitera no nanao fifanarahana fa izy nanao sonia. Izaho indray miteny hoe sady namaky tsara ny fifanarahana nataon’ny minisitera nialohan’ny nanaovako sonia. Matoa niditra tamin’io izahay ny taona 2016, efa tany amin’ny 2014 tany izahay no nifandresy lahatra tamin’ny minisitera tomponandraikitra. Nodinihina tao anaty filankevitry ny minisitra io. Ny lalàna 2015-039 no mamaritra ny 3P na fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. Misy karazany maro io. Ao ny tolo-bidy misokatra na mikatona na hoe «appel d’offre ouvert ou restreint ».
TSY NISY IO RAHA MIKASIKA NY PLAZA
Misy koa ny atao hoe « gré à gré » na hoe rehefa tianao omena an’i anona dia omena azy, izay tsy resahana mihitsy. Azo atao an’izay ny 3P. Volana septambra 2016, natao ny fifanarahana. Nivadika ny taona dia nahazo taratasy fampahatsiahivana tamin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izahay. Azafady, hoy aho tamin’izay, andriamatoa minisitra fa septambra 2016 izahay no nanao ny fifanarahana, aprily 2017 vao azo ny fanalahidy. Tsy hay na familafilana na inona fa 7 volana taty aoriana vao nomena anay ny fanalahidy. Tara ny fanaovana ny asa tao amin’ny Plaza. Desambra 2017 vao vita sy nitokanana. Nisokatra sy niasa ny 2018. Isan’ny notakiana tao anaty fifanarahana ny fanajariana na famatsiana ara-pitaovana sekolim-panjakana iray isan-taona. Nisy lisitra na EPP nomeny dia EPP Andavamamba, Mahamasina atsinanana, Ambohimitsimbina, Ankaditoho, Anosipatrana. Nolazain’ny minisitra nandimby ho tsy nanao na inona na inona toy izany koa izahay nony tonga ny 2019. Soa ihany fa niantso vaditany hatrany nanamarina ny zava-bita rehetra.
METY HO KANDIDA BEN’NY TANANA
Manontany ny fitondrana aho ankehitriny hoe inona izany ilay fifanarahana tsy vita? Matahotra ahy ve ianareo? Inona no mbola ilàna vaniny amina mpandraharaha toa ahy? Politika tanteraka izao hanenjehana anay izao, hoy hatrany ny tenany! Eto am-piheritreretana moa izahay, hoy i Andry Raobelina, mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna sy solombavambahoaka. Tsy nampiasa vola loatra izahay tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, noho izany, mbola mba manana tahiry ihany hiatrehana an’ireo, hoy izy. Mety ho kandida ben’ny tanàna, araka izany ny tenany, raha ny valinteny nomeny ny mpanao gazety omaly ary nanamafy fa tsy manaiky ny tsy rariny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap