hoy ny mpandrindra nasionalin’ity antoko ity, Iada Jean Pierre. Na misy fanambarana ilazàn’ny mpitandro filaminana fa tsy misy vahoaka mandresy mpitandro filaminana izany, hoy izy, dia izay no foto-pisainanay. Hivoaka ny voka-pifidianana kaominaly. Nisy fitoriana sy raharaham-pitsaràna maro nandeha teo. Matoa nitory daholo ny rehetra dia tena tsy tomombana ilay fifidianana. Eo amin’ny lafiny fitsaràna indray dia hitantsika fa maro tokoa ny fitarainana napetrak’ireo milaza ho mpanohitra na tsy miankina no tsy misy na dia iray aza noraisina na neken’ny fitsaràna ny mampitombina na maha marina ny zavatra napetrany tamin’ny fitoriana. Izay napetraky ny mitonona ho kandidàm-panjakana kosa dia nekena ny maha marina azy. Mitsara eo amin’ny lafiny lalàna ny fitsaràna saingy manapa-kevitra amin’ny alalan’ny feon’ny fiheritreretany kosa na izay mampety azy. Fantantsika tsara fa nisy kandidà nilaza am-pahibemaso fa kandidàm-panjakàna. Hatramin’ny androany anefa dia tsy mbola nisy didim-panjakàna namoaka fa izy no kandidàm-panjakana. Fisolokiana izany ireny zavatra ireny ary tokony nandraisan’ny fitsaràna fanapahan-kevitra hentitra. Lasa mampiova be ny vokam-pifidianana izy ireny satria ny kandidàm-panjakàna dia tokony ho ny fanjakàna mihitsy izany no mampandany azy. Hitantsika izany fa tsy tena vokatry ny safidim-bahoaka ny vokam-pifidianana satria amin’ny maha kandidàm-panjakàna azy izay dia ny fanjakàna no mifehy ny tanàna dia manjary ny kandidàm-panjakàna no maro isafidianan’ny olona eran’i Madagasikara ary mitoetra ho lany amin’izany fifidianana izany. Tsy misy ho antenaina amin’ny CENI, noho izany, satria sarotra be ho an’ny olona izay notendren’ny filohan’ny repoblika no tsy hanome fahafaham-po ho azy, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny
Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,
Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,
Miainga eny ifotony ny fampandrosoana hoy Andriamanantena Seraphin,
Pastera Heritiana Tsy misy zavatra mandeha araka ny tokony ho izy intsony