airtel

Politique

19-sept-2025

VAHOAKA MALAGASY

Miha mahantra noho fitantanana gaboraraka

Sample post image

Miha mahery vaika indray tato ho ato ny

19-sept-2025

fanakianana sy fanoherana ny fitondram-panjakana. Mifantoka kokoa amin’ny sosialy ny resaka fa tsy dia politika loatra ankoatr’ilay hoe fanoherana ilay eritreritra hanao « mandat » fahatelo. Tena mahatsiaro sahirana mantsy ny olona, ny isan-tokantrano ka io miha mahazo vahana io ny fanehoan-kevitra, ireny hita ireny tany Imerintsiatosika ny alarobia, omaly alakamisy indray dia fitartarihana « bidon jaune » niainga teny Andrefanambohijanahary ka hatreny Anosikely nanoloana ny lapan’ny antenimierandoholona no nataon’ireo olom-pirenena leo delestazy.
TANY TSY MISY LALÀNA ?
Raha ny resaka leo fahasahiranana no hanaovana hetsika eto dia hisy hetsika isan’andro, hoy ny renim-pianakaviana iray, efa tena sempotra amin’ilay fiainana hoy izy ary ny tena mahasosotra dia toa tsy taitra ireo manampahefana fa misy aza vao miha manao vava tsy ambina sy maneso ny olona mitaraina sy sahy milaza ny tsy mety. Tsy resaka hoe andao hao toa ny tany Népal, hoy ny raim-pianakaviana iray fa kosa zon’ny olompirenena no manaitra ny fitondram-panjakana, manontany hoe : ahoana ny atao ? Misy vahaolana ve ? Miha mipoitra ihany izao ilay hoe tsy fahaiza-mitantana sy mpitondra « sans qualité » nanakianan’ny afrikana an’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 raha nanatrika ny fivoriamben’ny firenena mikambana izy. Tsy takon’afenina ny fitomboan’ny fahantrana eto, io delestazy efa ho 10 ora isan’andro io, miampy ny tsy fisian-drano. Loza etsy sy eroa noho ny gaboraraka amin’ny fifamoivoizana, tahaka ny hoe tsy tany tsy misy lalàna intsony eto fa atao zavatra tsy mahataitra ny hoe fiara tapaka « frein » ; io no vokatr’ilay kolikoly any amin’ny « visite technique » .Na fiara efa tsy izy intsony aza dia mandeha ihany eto, avy eo mamono olona.
KOLIKOLY MAMOTIKA
Lasa mahazo vahana isan-tsehatra ny gaboraraka sy kolikoly, izany no vokatry ny tsy fahaiza-mitantana. Tena misy fiantraikany ratsy any amin’ny fiainan’ny isan-tokantrano sy ny toekarem-pirenena io. Samy mahantra ara-tsaina no mahantra ara-toekarena, tsy mba misy zavatra hoe mandeha milamina tsara mandavan-taona fa dia ahitana savorovoro sy resabe foana, mahamenatra sy tena mampalahelo hoy ny Pr Jonah Ratsimbazafy fa amin’ny fampianarana momba ny tontolo iainana any ivelany dia ataon’ny olona ohatra amin’ny fandripahana ala i Madagasikara. Ny mpampiasa vola tsy sahy miasa eto, ireo tia aferafera maizina ihany no miditra eto satria mety amin’izy ireo ny miaina anaty gaboraraka sy kolikoly etsy sy eroa ; dia matavy ny olom-bitsy saingy izao iaraha-mahita izao ny fitomboan’ny fahantrana ho an’ny sarambabem-bahoaka.
RTT
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap