airtel

Politique

06-oct-2025

VAKY NY SAMBON-DRAJOELINA

Miala tsikelikely ry mpanao "merci président"

Sample post image

Tapitra ny alakamisy 2 oktobra 2025 ilay fe-potoana 3

06-oct-2025

andro nanambaran'ny Filoha fa hoe ho fantatra ny anaran'ny praiminisitra vaovao.Fa tsy nisy praiminisitra voatendry izany hatramin'ny omaly alahady alina aloha.Mazava ny resaka fa miha marefo ny fitondrana Rajoelina ary porofon'izany ireo mpomba azy mitombo isa isan'andro miala ny sambo dieny mbola tsy rendrika na nisafidy ny tsy hiteny. Tsy tontosa araka ny tokony ho izy ilay hetsika saika natao ny sabotsy teo na dia nampiasana vola aza, efa tonga saina ny olona noraisiny ny vola fa izy tsy nilahatra. Efa tantara sisa ny hoe carnaval miloko orange be mamakivaky tanàna taloha izany.Aiza avy izao ireo minisitra teo aloha sy ireo depiote mpiaro fatratra ny fitondrana. Tsy hita popoka intsony, ireo mpanao facebook mpanasoaso sy mpisolelaka an-dRajoelina, mpanao "merci président" aiza daholo ? Inona moa fa dia vaky ny sambo izany e .
RTT
 

Dans la même rubrique

28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap
27-avril-2026

Manao ny ezaka rehetra ry maitso

Card image cap