Firenena goavana efa tahaka ny kaontinanta iray latsaka kely I Madagasikara, saingy isan’ny olantsika ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny fitsinjaram-pahefana izay mifanjohy amin’io foana ny fitsinjarana ara-bola. Ny zava-misy ankehitriny, ny 70 hatramin’ny 90% amin’ny sora-bola sy ny tetibola hoenti-manodina ny firenena dia giazana any amin’ny Fanjakana foibe. Zara raha misy tonga any ifotony, any amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, manginy fotsiny ny mbola fisian’ny tari-drano an-kilahila ka very no betsaka noho ny kolikoly, fanodinkodinana volam-panjakana,... Azo atao tsara manatsimbadika an’io raha tena manana finiavana hampandroso ny firenena hoe: ny 70% hapariaka any ifotony, ary ny 30% no tantanin’ny Fanjakana foibe. Raha mandray ohatra vitsy: 1200 miliara Ar isan-taona eo ny tetibola ho an’ny lafiny fandriampahalemana izay toa mijanona any amin’ny birao aty an-tampony raha zohiana amin’ny zava-misy. Raha hanaovana kajikajy izany, mahatratra 3,28 miliara isan’andro ny fandaniana. Raha mana kajy tsotsotra hoe: mitsinjara amin’ny distrika 119 io manome 27,5 tapitrisa isan’andro eo, ary raha ho an’ny kaominina 1695 dia manana 1,9 tapitrisa Ar isan’andro eo. Tokony hipetraka ve ny hoe: tsy ampy solika raha voatsinjara ara-dalàna sy amin’ny tena ilàna azy ny vola? Ohatra iray hafa ny lafiny fahasalamana, izay manodidina ny 1100 miliara isan-taona ny tetibolany, saingy iaraha-mahita sy mahalala ny zava-misy eny amin’ny hopitalim-bahoaka, ny toeram-pivoahana aza ny sasany mbola hitangosana vola, ny tolotra maro no tsizarizary satria tsy ampy fitaovana, tsy ampy fanafody, tsy ampy ny mpiasa, tsy tonga eny amin’ny CSB ny vola,… Ny resaka fiompiona sy fambolana manodidina ny 860 miliara Ar isan-taona ny tetibolany, izany hoe: mandany 2,35 miliara isan’andro raha atao ny kajikajy, saingy mijanona aty an-dRenivohitra amin’ny ankampobeny. Ireo ivon-toeram-piofanana momba ny fambolena sy ny fiompiana tsy dia voajery firy, izany Sekoly fanofanana momba ny fambolena sy fiompiana izany tahaka ny EFTA (Ecole de Formation de Technicien Agricole) izany tsy dia re firy kanefa tantsaha ny 80 hatramin’ny 90% amin’ny Malagasy, ary sehatra tokony hananantsika traikefa betsaka io, saingy tsy izay no zava-misy.
NY ENY IFOTONY NO MAHALALA NY FAMPANDROSOANA ILAINY
Raha tena mipetraka ny fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola, hilamina sy hihatsara ny fari-piainana eny amin’ny faritra. Ny faritra, ny distrika, ny kaominina no mahalala izay zavatra tena ilainy sy ny fampandrosoana tena mety aminy fa tsy minisitra any anaty birao mihitsy. Rehefa mandeha ny fitsinjaram-pahefana sy vola, manana ny fahefana feno ny any ifotony, malalaka amin’ny fanatanterahany ny asa fampandrosoana dia hivelatra ary hahazo ny tsenan’asa samihafa ireo orinasa any amin’ny faritra fa tsy ho lasa ampihimamba foana. Mila hamoraina ihany koa ny fisitrahana ny teknolojia, izay manatsara ny fitantanan-draharaham-panjakana, mampitovitovy ny herijika eo amin’ny fahazoam-baovao sy ny fahaizana amam-pahalalana ankampobeny,… Toky R
MAHANA TAMIN’NY NATAO Izay rehetra maneho hevitra hafa dia hanongam-panjakana ?
Nilatsaka ny sazy ! Voaheloka 10 taona an-tranomaizina miampy lamandy 60 tapitrisa Ariary
Misaora an’Andriamanitra isika fa manana harena ahafahana mampandroso ny firenena,
Taorian’ny filazana fa tsy ekena ny fanalam-baraka ny Firenena, namafisin’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian