Fampielezan-kevitra hampandroso fa tsy fampielezam-bola hanome fahafinaretana vetivety no atao. Maro no efa resy lahatra fa mety io ary velom-panantenana fa ho tanteraka izany.
VELOM-PANANTENANA NY MPAMPIANATRA
Nanamafy ny solontenan’ny mpampianatra, raha nandray fitenenana nandritra ny fihaonambe tao Fianarantsoa, fa ny fampianarana mifanandrify amin'ny Malagasy. Fampianarana tena izy ahafahan'ny firenena miala amin'izao lavaka mangitsokitsoka misy ny firenena izao no ilaina. “Tsy ny fombafomba ety ivelany no maha Malagasy. Lanjan-kasina maha olona napetraky ny razantsika. Mahatsiaro tena fa tompony”, hoy io solontenan’ny mpampiantra io nanamafy, fa ny fanabeazana no isan’ny apinga voalohany ahafahana manova ny firenena”, hoy ny ny solontenan’ny mpampianatra.
Mpampianatra
VONONA HIFANOME TANANA NY TANORA
Nisy fihaonana tamin'ny mpianatra ny 9 aogositra nizarana ny vinam-panabeazana tamin'ny mpianatra. Tena nahaliana ny fizarana traikefa, ny masoandro mody ny mampalahelo. Misaotra Tahina Razafinjoelina, fa tena marina tsotra kanefa mahomby tokoa ny vina nozarainay. Vonona izahay ho fanovana amin'ny tenanay mba ho fanovana ho an'i Madagasikara ihany koa. Zava-dehibe ho anay tanora ilay hoe Fanabeazana mitodika amin'i Madagasikara, hoy ny solontenan’ny mpianatra.
Mpianatra
MANANTENA AZY NY TANTSAHA
Naneho ireo solontena samihafa tahaka ny tantsaha izay maro an’isa eto, toy nahitana ny solontenan’ny mpiomby omby fa sehatra iray matanjaka eto ao anatin’ny Faritra Matsiatra ambony io. Tsy matanjaka anefa ary tsy misy fivoarana ara-teknika, ka ny omby gasy 250kg, raha afaka ny mbola ho tsara kokoa noho izany. Olana ihany koa ny tsy misy fandriampahalemana. Manantena fa hisy ny vahaolana miainga amin’ny vinam-piarahamonina entin’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana tarihin’Atoa Tahina Razafinjoelina.
Tantsaha
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny