airtel

Politique

09-févr-2024

Voarohirohy ho mpanongam-panjakana

Nohelohina herintaona sazy mihantona ireo kolonely 2

Sample post image

Nohelohina higadra herintaona an-tranomaizina sazy mihantona ireo

09-févr-2024

kolonely roa voampanga ho nanohintohina ny fiandrianam-pirenena nandritra ny fotoam-pifidianana. Ny volana novambra 2023 izy ireo no nadoboka vonjimaika tany amin’ny fonjan’i Tsiafahy, rehefa voarohirohy ho nikasa hanongam-panjakana amin’ny alalan’ny fitarihana miaramila hikomy mba hanakorontanana ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, ka rehefa niakatra fampanoavana ny 27 novambra dia nadoboka am-ponja vonjimaika. Nialohan’io anefa, ny 15 novambra no efa nisy ny vaovao nilaza fa manara-maso akaiky ny fihetsiky ny jeneraly sy kolonely vitsivitsy ao anatin’ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena ny mpiondra Fanjakana sy ny Lehiben’ny mpitandro filaminana. Nambara fa mikotrika fanakorontanana sy miray tendro amin’ireo kandida manohitra ny fifidianana. Nanao fanambarana sy fandisoam-baovao avy hatrany ny zandarimariam-pirenena ka nanamafy fa diso izany. « Fandikan-dalàna ny fanalana baraka sy ny fanelezana vaovao tsy marim-pototra koa tsy maintsy andraisana », hoy ny fandisoam-baovao tamin’izany, saingy tapa-bolana taorian’io dia nidoboka ireo kolonely roa, ary izao nivoaka izao ny didy momba azy ireo. Ny komandin’ny tafika no nametraka ny fitoriana teny amin’ny zandarimaria momba ity raharaha ity, raha ny fanazavana efa nandeha. Taorian’ny raharaha Apollo 21 izay nambara fa nisiana fikasana hanongana an’ingahy Andry Rajoelina izay nanenjehana manamboninahitra sy sivily izany, dia io no tranga mitovitovy aminy izay nitranga tao anatin’ny vanim-potoana nialoha ny fifidianana. Manomboka mivoaka avokoa izany izao ireo didy mikasika ny fanenjehana ireo olona nosamborina sy naiditra am-ponja nialohan’ny fifidianana satria nohelohina 10 volana sazy mihantona ihany koa ireo olona 10 nosamborina tamin’ny fihetsiketsehana politika tamin’ny novambra izay ny 5 tamin’ireo dia nofonjaina vonjimaika. Nomelohina 30 volana sazy mihantona ihany ireo mpitarika sendika miralahahy dia ny Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo sy ny Sekretera Jeneralin’ny Randrasana Sendikaly. Ny depiote iray kosa miandry izay hambaran’ny HCC eo anatrehan’ny zo tsy azo henjehina voafaritry ny andininy faha-78 amin’ny lalàmpanorenana. Rehefa zohiana, karazan’ny nampirimina tany am-ponja sy notataovana raharaham-panjakana, ary narahina didy mitatao eo an-tampon-doha ireo voasambotra mba hampipetrapetraka azy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap