airtel

Politique

20-déc-2023

Vondrona mpanelanelana GNMR

«Aoka hanaiky hifanantona, tsy misy fandrosoana anaty korontana »

Sample post image

Nanamafy ny vondrona mpanelanelana GNM (Groupe National de Médiation)

20-déc-2023

fa tsy misy firenena afaka ny handroso ao anatin’ny korontana, fa ny filaminana ihany no miantoka ny fihatsaran’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy, ka izay no tokony himasoan’ny tompon’andraikitra rehetra. Miangavy ny rehetra mba hanao lohalaharana ny tombotsoan’ny besinimaro, mba hanaiky hifanatona sy hifampidinika am-pirahalahiana ary hampitovy fijery momba ny hoavin’ny firenena Malagasy noho izany izy ireo. « Aoka hiato ny lonilony sy ny fankahalana fa aoka ny firaisankina sy ny fihavanana no ataontsika fototra iorenan’ny fanarenana ny fiainam-pirenena. Aoka hiaraka hieritreritra ireo fototra tsy hiverenan’ny korontana miverimberina eto Madagasikara ka miteraka fahantrana ho an’ny vahoaka Malagasy isika », hoy Atoa Hery Rakotomanana anisan’ny mpitarika ny GNM. Ahitana ireo tompon’andraikitra ambony teo aloha tahaka ny Praiminisitra Atoa Kolo Roger, ny Filohan’ny CENI teo aloha Atoa Hery Rakotomanana,… moa ity Vondrona ity. Nambara ofisialy omaly moa, fa mijoro ho isan’ny ivon’ny fandalinana mba ho tombotsoa maharitra ho an’ny firenena ny GNM ka lasa GNMR (Groupe National de Médiation et de Réflexion) ny anarana entin’izy ireo. Tsy hijanona sy hionona fotsiny amin’ny fanelanelanana fa hiditra ihany koa amin’ny famolavolana tolo-kevitra mikasika izay rehetra mety mahasoa ny fiainam-pirenena. Ankoatry ny maha Raiamandreny dia miezaka mitady izay hisian’ny filaminana satria izay no hisian’ny tombotsoan’ny besinimaro, ka tsy mitsahatra ny mieritreritra ny tsy hiverenan’ny krizy eto Madagasikara ka nanovanana an’ilay R (Réflexion) amin’ny alalan’ny fandinihana ny fiainam-pirenena hiarovana ny firenena tsy hihotsaka, hoy ny fanazavana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap