airtel

Politique

18-nov-2024

Zaza Ramandimbiarison

«Fotoana izao hametrahana fitantanana tena tomponandraikitra»

Sample post image

Rahoviana isika vao hanana fitondrana tomponandraikitra sy tena demokrasia manaja ny mahaolona,

18-nov-2024

hoy ny fanontaniana napetraky ny mpanao politika, Zaza Ramandimbiarison? Mizotra anya mina fametrahana tompondraikitra hiahy ny eny ifotony i Madagasikara ao anatin’izao fifidianana monisipaly ho atrehina ny 11 desambra 2024 izao, hoy izy. Fotoana izao hametrahana fitantanana tena tomponandraikitra sy hanamafisana ny demokrasia handraisan’ny rehetra anjara. Mila rafitra sy dingana politika tony i Madagasikara, tsy mitanila ary mitsinjo ny tombontsoa iombonan’ny malagasy manontolo. Reraka ataon’ny vitsy an’isa ho fitaovana ho an’ny tombontsoan’izy ireo manokana ny malagasy. Ny fisokafantsika amin’izao tontolo izao dia tokony ho tombony mankany amin’ny fivoarana sy fanarahana ny toetr’andro. Raha nametraka tontolo sosialy sy ekonomika milamina izao ny mpitondra antsika ary nametraka rafitra fifanakalozana mangarahara sy mampiaty ny rehetra, tafiditra anatin’izany ny rafitra miteraka harena ho an’ny mponina, rafitra mifanaraka amin’ny zava-misy marina iainan’ny vahoaka dia efa ela isika no tafavoaka. Any aloha no tokony imasoana amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap