airtel

Politique

02-janv-2025

Zaza RAMANDIMBIARISON "

Nanome vahaolana 7 hametrahana ny fandriampahalemana, antoky ny fampandrosoana"

Sample post image

Madagasikara no mandroso raha mandry fahizay ny tany, hoy i Zaza Ramandimbiarison raha naneho hevitra sy nizara ny fomba

02-janv-2025

fijeriny momba ny fiainam-pirenena amin'izao taom-baovao izao ny tenany. Madagasikara no mandroso dia ny Malagasy tsirairay no mandroso. Malagasy izay mahantra sy fadiranovana anefa ankehitriny, hoy izy
Nahitsy i Zaza Ramandimbiarison, izay manampahaizana momba ny toekarena moa fa tsy misy fampandrosoana izany raha tsy misy ny fandriampahalemana maharitra sady tsara; izany hoe ny fisin’ny toe-tsaina, ny andrim-panjakana ary ny rafitra izay mamorona, mametraka ary manohana ny flarahamonina milamina ho an'ny vahoaka malagasy rehetra tsy misy favahana fa tsy hoe an'nyvahoakanay na ny vahoakanareo na ny vahoakan'nyy mpandresy na ny vahoakan’ny resy, hoy izy.
Nandroso vahaolana miiisa 7 ity praiminisitra lefitra teo aloha ity mba hahazaona izany fandriam-pahalemana maharitra sady tsara izany, ka voalohany, Ny fandriam-pahalemana maharita sady tsara dia vokatry ny governemanta miasa tsara, lavitry ny kolikoly; governemanta manamafy ny fifampitokisana aminny andrim-panjakana rehetra sy ny fahombiazan'ny fandraharahana; governemanta miasa ho an'ny daholobe ary asa izay tsara kalitao sy avo lenta izay hanamafy ny fifampitokisana sy fandraisana anjara ny rehetra eo amin'ny fampandrooana ny Tanindrazana iombonana, Governemanta miasa mba hisian'ny fitoniana sy mampihatra ny fanjakana tan-dalàna.
Faharoa : Ny fandriam-pahalemana maharitra sady tsara dia vokatry ny fahaizana sy fahendrena ny Malagasy tsirairay. Ny fototry maha-olona mahay sy hendry dia vokatry ny fanabeazana azony anivon' fianakavina, any an-tsekoly ary eo anivon'ny fiarahamonina . Ny fandriam-pahalemana mahanitra sady tsara, vokatry ny fahaizana sy fahendreana ny Malagasy tsirairay izany dia hiteraka olom-pirenena hampiroboro ny fampandrosoana ny fahalalana, ka hanatsara ny vokatra ara-toekarena sy hamporisika ny Malagasy tsirairay handray anjara eo sehatra ara-politika ary ara-tsosialy.
Fahatelo: Ny fandriam-pahalemana maharitra sady tsara dia azo avy amin ny fametrahana tontolo ara-barotra sy fiasana managarahara sy madio-Izany dia hanantanjaka ny toe-karena sy ny andrim-panjakana ara-dalana manohana ny fampandehanan-draharahan'ny sehatra tsy miankina; izay hanamora ny famoronana asa ho any tanora Malagasy maro an'isa.
Faha efatra: Ny fandriam-pahalemana maharitra sady tsara dia vokatry ny fampiarana antsakany sy andavany ny lalana velona izay miantoka ny zon'olombelona sy ny fahalalahana fototra ary koa ny fenitra ara-tsosialy sy ara-kolontsaina mifandraika amin'ny fitondran-tenan'ny olom-pirenena Malagasy. Ny fandriam-pahalemana mahanitra sady tsara dia miantoka ny fitoniana hahazaon'ny Malagasy tsirairay ny loharanon-karena toy ny fanabeazana ary fahasalamana .
Fahadimy: Ny fandriam-pahalemana maharitra sady tsara dia vokatry ny fifandraisana tsara sy mirindra eo aminny foko misy eto Madagasikara, ny fivavahana ary ny kolontsaina misy eto aminny firenena
Faha enina: Ny fandriam-pahalemana maharitra sady tsara dia vokatry ny fananana fifandraisana tsara amin' ny samy Malagasy sy miaraka ny any ivelany i Madagasikara ;hilamina kokoa i Madagasikara ary tsy maintsy mandroso satria mirona ho marin-toerana kokoa ara-politika, hanana governemanta miasa tsara kokoa, sady miezaka handrindra izay mety fifandirana eo amin ny fifandraisana.
Ary farany faha fito: ny fandriam-pahalemana maharitra sady tsara dia ho azo raha mahazo ny vaovao tsara sy marina foana ny malagasy rehetra mba azaony mampitombo ny fahalalana. Izany vaovao tsara sy marina izany dia hanampy ny tsirairay sy ny fiarahamonim-pirenena handray fanapahan-kevitra tsara kokoa. Ny fahazaohana vaovao malalaka izany dia hitarika ho amin'ny vokatra tsara kokoa sy valiny mitombina kokoa indrindra indrindra amin’ny fotoana sarotra izay lalovan ny firenenana ankehitriny; fotoana sarotra vokatry ny fifandraisana iraisam-pirenena, araka ny fanazavany hatrany.Ireo fomba ireo ihany no hampandroso marina any Madagasikara, hoy i Zaza Ramandimbiarison ary ho tanteraka ny hiainan’ ny rehetra taom-baovao sy ny taona manaraka rehetra feno Fahasoavana, Fahombiazana ary anaty Fahasalamana raha manova ka mampiatra sy manaja any ireo fomba ireo ny rehetra.
Nangonin'i RTT 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap