Miezaha mikaroka ny tsara foana, hoy izy. Mirary soa e! Mipetraka ary mpiray tanindrazana amin’ity nosy Madagasikara, tsy manam-paharoa ity isika malagasy. Madagasikara dia firenena mahaleotena, tsy mivaky ary lapan’ny zavaboahary. Indrisy anefa fa mahantra sy fadiranovana ny malagasy ary mitotongana ny toekarem-pirenena ankehitriny. Ny mpitondra ny firenena nefa migalabona ao anatin’ny harena mihoapampana tsy azo am-pahamarinina. Olombelona isika fa tsy toy ny biby akory. Manam-panahy ary manana saina afaka miheritreritra sy mandanjalanja tsara amin’ny zavatra izay kasaina hatao. Anjarantsika tsirairay avy ny mampiasa izany toetra maha olombelona izany amim-pahendrena ka hanosika antsika hitady hatrany ny mahasoa amin’ny alalan’ny asa fa tsy hiandry ho tolorana fotsiny. Anjarantsika tsirairay avy ny mampiasa izany toetra izany amin’ny fiarovana ny mpiray tanindrazana amin’ny herin’ny natiora fa, indrindra indrindra, anjarantsika tsirairay avy ny mampiasa izany toetra tsara izany amin’ny fiarovana ny mpiray tanindrazana amin’ny fihoaram-pefy sy ny tsindry ataon’ireo izay mitondra ny firenena. Matetika ny ratsy rehetra dia tonga rehefa ny haratsiam-panahy sy ny fitiavan-tena no mibaiko ny fomba fiainana an-davanandro, indrindra, rehefa ny mpitondra no mampiseho izany sy manpiseho fahaverezan-tsaina, mihevitra ny malagasy ho toy ny biby ka tsy maintsy andrasana sy arovana amin’ny zavatra mifindra mety hiteraka fanankorontanana ny fahasambaran’ny mpitondra. Hoy ny Ray aman-dreny fahiny, manam-pahendrena hoe “Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny eny am-pon’ny mahalala.”. Enga anie ny malagasy ho olombelona manam-panahy sy fahendrena marina ka mora mahazo sy manaraka torohevitra ho amin’ny tsara sy mahasoa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Efa namafisin’ny Minisitry ny toekerana sy ny fitantanam-bola fa tsy
Tsy tena mazava ny akon'ny fivoriana mikasika ireo Nosy Malagasy natao tany Frantsa
Tsy ampy voalohany ny resaka serasera matoa i Madagasikara tafiditra amin’ny
Tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny intsony eto : ny vahoaka voapoizina saingy
Nirodorodo nanao filankevitry ny Minisitra tao Fianarantsoa indray ny
Niverina tamin’ny laoniny ny rariny noho ny fandresen’ny fahamarinana satria nankatoavin'ny