airtel

Politique

20-janv-2025

Zaza Ramandimbiarison

«Olombelona isika fa tsy toy ny biby akory»

Sample post image

Vaovao indray ity taona, hoy ny praiminisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison.

20-janv-2025

Miezaha mikaroka ny tsara foana, hoy izy. Mirary soa e! Mipetraka ary mpiray tanindrazana amin’ity nosy Madagasikara, tsy manam-paharoa ity isika malagasy. Madagasikara dia firenena mahaleotena, tsy mivaky ary lapan’ny zavaboahary. Indrisy anefa fa mahantra sy fadiranovana ny malagasy ary mitotongana ny toekarem-pirenena ankehitriny. Ny mpitondra ny firenena nefa migalabona ao anatin’ny harena mihoapampana tsy azo am-pahamarinina. Olombelona isika fa tsy toy ny biby akory. Manam-panahy ary manana saina afaka miheritreritra sy mandanjalanja tsara amin’ny zavatra izay kasaina hatao. Anjarantsika tsirairay avy ny mampiasa izany toetra maha olombelona izany amim-pahendrena ka hanosika antsika hitady hatrany ny mahasoa amin’ny alalan’ny asa fa tsy hiandry ho tolorana fotsiny. Anjarantsika tsirairay avy ny mampiasa izany toetra izany amin’ny fiarovana ny mpiray tanindrazana amin’ny herin’ny natiora fa, indrindra indrindra, anjarantsika tsirairay avy ny mampiasa izany toetra tsara izany amin’ny fiarovana ny mpiray tanindrazana amin’ny fihoaram-pefy sy ny tsindry ataon’ireo izay mitondra ny firenena. Matetika ny ratsy rehetra dia tonga rehefa ny haratsiam-panahy sy ny fitiavan-tena no mibaiko ny fomba fiainana an-davanandro, indrindra, rehefa ny mpitondra no mampiseho izany sy manpiseho fahaverezan-tsaina, mihevitra ny malagasy ho toy ny biby ka tsy maintsy andrasana sy arovana amin’ny zavatra mifindra mety hiteraka fanankorontanana ny fahasambaran’ny mpitondra. Hoy ny Ray aman-dreny fahiny, manam-pahendrena hoe “Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny eny am-pon’ny mahalala.”. Enga anie ny malagasy ho olombelona manam-panahy sy fahendrena marina ka mora mahazo sy manaraka torohevitra ho amin’ny tsara sy mahasoa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

13-janv-2026

tsara ny lasitra aloha

Card image cap
09-janv-2026

aloha milaza fa valifaty politika izao»

Card image cap
09-janv-2026

tsy hanaiky ny gaboraraka intsony

Card image cap
09-janv-2026

baton'ny IRMAR tao Vondrozo!

Card image cap