airtel

Sosialy

14-juin-2021

Sosialy

Ady amin’ny tsy fananan’asa Tanora miisa 160.000 no efa nahazo fiofanana

Sample post image

Tanora miisa 160.000 no efa nomen’ny Ministeran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa fiofanana teto amintsika tato anatin’ny 9 volana.

14-juin-2021

Karazana fiofanana maro no efa nomena azy ireny toy ny fanamboarana lalana pave, ny fitondrana ireny fiarabe mpanamboatra lalana ireny na ho an’ny zatovolahy na ho an’ny zatovovavy ankoatra ny asa fanjairana…. Tanjona amin’izany ny mba hahafahana miady amin’ny tsyfananan’asa izay tena mahazo vahana tokoa eto amintsika. Zary lasa manaotao foana avokoa mantsy ny ankamaroan’ ireo tanora tsy an’asa ka tsy maintsy hitadiavam-bahaolana no sady hahafahana miady amin’ny fahantrana ihany koa. Mpianatra niofana momba ny fitondrana fiarabe am-polony indray no navoaka tamim-pomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo teny anivon’ny INFP, natrehin’ny Ministra tompon’andraikitra. Nambaran’ny Ministra nandritra izany fa mbola hitohy hatrany ny fanofanana ireo tanora eto amintsika ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano.

Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap