Ao ireo mponina avy amin'ny kaominina manodidina fa maro be ihany koa ireo avy amin'ny toerana maro samihafa misafidy ny hitsidika an'i Mantasoa hisitraka ny hakantony. Fiara an-jatony maro no mitanjozozotra mihazo any an-toerana, indrindra rehefa paska. Isan'ny mampiavaka azy ny fisian'ny farihy lehibe, ahafahan'ireo mpitsidika mitaingina ireny lakana ireny izay misy ny safidy na handeha amin'ireo tsotra na ny misy maotera, izay 1000 Ar monja dia efa ahafana misitraka izany. Ankoatra ny tanana satria any an-toerana ihany koa no misy ny fasan'i Jean Laborde, dia maro ireo fialam-boly, efa azo lazaina ho ao anatin'ny fotoana miaka-bokatra ka mitobaka ihany ny voankazo samihafa, ny saosisy gasy,... Marihina fa 75km monja miala an'Antananarivo i Mantasoa raha manaraka an'iny RN 2 iny, ka na eo Manjakandriana no mianatsimo ary mivily miantsinana rehefa tonga eo Andriambazaha izay somary ratsy ny lalana, na eo Ambatolaona no mitsofoka.
Toky R
Miverina indray ny fitakiana vatsim-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Raikitra ny grevy teny amin’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly. Niditra tamin’ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana.
Nampaneno lakolosy ny depioten’i Morondava Christophe Tsiliva Didiot omaly nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny governemanta omaly,
Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny fandaharan’asa FSRP (Programme de résilience des systèmes alimentaires pour l'Afrique de l’Est et australe) misy famatsiam-bola mahatratra 2,3miliara dolara.