airtel

Sosialy

03-mai-2021

Sosialy

Analavory sy Ampefy Kofona ny sehatry ny fizahantany

Sample post image

Faritra isan’ny mahasarika ny mpizahantany Malagasy sy vahiny i Itasy, amin’ny fananany toeram-pitsangantsanganana maro amin’ireo Distrika telo mandrafitra azy.

03-mai-2021

 

Manana ny Chute de la Lily sy ny Geyser ny Kaominina Analavory, manana ny farin’Itasy sy ny Ilôt de la Vierge ny Kaominina Ampefy, samy ao anatin’ny Distrikan’i Miarinarivo, ankoatra ny ala tapia sy ny farihin’i Taboaka ao Arivonimamo raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Misedra olana anefa ny lalampihariana fizahantany ao Itasy sy ireo olona mivelona mivantana amin’izany hatramin’ny nisian’ity valanaretina coronavirus ity, ary nanampy trotra izany ny fihidin’ny Faritra Analamanga izay mpifanolobodirindrina aminy ao atsinanana. Miainga ao Analamanga rahateo ny ankamaroan’ny olona tonga miala sasatra any Itasy. Varavarana misokatra no hany hamantarana ny hotely sy toeram-pisakafoanana fa tsy misy mpanjifa tonga. Mitaninandro fotsiny ireo mpiseradia fa tsy misy mpizahatany. Roapolo lahy eo izy ireo no hita eo Mahiatrondro, manao io asa io miandry ireo mpitsidika ny Chute de la Lily. Mizara vondrona roa ireo mpiseradia ao, mifandimby isan’andro. Mahazo 20.000 Ariary isan’andro, isan’olona eo izy ireo rehefa faran’ny herinandro talohan’ity valanaretina covid-19, amin’izao anefa tsy mahita na Ariary aza mandritra ny andro maromaro. Misy amin’izy ireo no lasa namboly noho ny tsy fisian’ny mpizahatany tonga. Voadona mafy koa ny jono sy ny varotra trondro, isany mampalaza an’i Itasy. Mpivaro-trondro enina no mivarotra eo ampizaran-tany manasaraka ny Kaominina Analavory sy ny Kaominina Ampefy. Mahalafo folo kilao isanisany eo ny mpivarotra iray. Ankehitriny, iray sisa no mpivarotra tazana eo, ny sabotsy sady andro tsena ao Ampefy no fahatongavan’ny mpizahatany ary zara raha mahalafo trondro dimy kilao. Simba ampitoerana ny voankazo mampalaza iny faritra iny, toy ny papay, pasteky, voatango, zavoka. Atao varoboba, iantsoantsoana ny olona sendra mandalo mba hijanona hividy. Nangoron’entana, niverina any an-tsaha ireo mpivarotra fahatsiarovana. Tsy mihiboka ny Faritra Itasy, misy ny tsena isan-kerinandro saingy mitaraina ny olona, fa tsy zaka intsony raha mbola haharitra ny fihidin’ny faritra Analamanga izay iankinan’ny faritra Itasy amin’ny fampandrosoana ny lafiny toekarena, miantraika amin’ny lafiny sosialy noho ny fihenan’ny fidiram-bola.

 Jean D.

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap