airtel

Sosialy

11-janv-2022

Sosialy

Ankorangana - Antsiranana II Zazavavy iray namoy ny ainy vokatry ny fihinanana fano

Sample post image

Zazavavy iray no namoy ny ainy, zaza telo sy olon-dehibe roa naiditra hopitaly. Io vokatr’ilay fihinanana fano na “tortue de mer” tany amin’ny Fokontany Irodo ,

11-janv-2022

 sektera Amboabiaka kaominina ambanivohitra Ankarongana Antsiranana II, ny faran’ny herinandro. Ny alakamisy lasa teo no nihinana io fano io ireo olona saingy roa andro taty aoriana vao narary avokoa. Nidina teny an-toerana ny ekipan'ny Fitaleavam-paritry ny fahasalamana sy ireo avy amin'ny sampandraharahan'ny jono. Nisy ny fandraisana an-tanana avy hatrany natao azy ireo ka maimaim-poana avokoa ny fitsaboana rehetra . Manodidina 30 eo kosa ireo olona efa sitrana rehefa nahazo fitsaboana. Raha araka ny fantatra moa dia mbola misy amin’ireo olona nihinana ity fano ity no mbola tsy tonga nanaraka fitsaboana fa mijanona fotsiny any an-tokantranony any ka atahorana ny ainy.
Legende : Santionany amin'ireo olona tsy salama nihinana ilay fano.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap