Niray hina nilanja sora-baventy niazo ny tsenan’i Soamanatombo izy ireo araka izany omaly maraina nanomboka tamin’ny 08 ora sy sasany nanohitra izany no sady nilaza fa mila mivarotra izy ireo fa noana ny vady aman-janany. Raha araka ny fanazavan’ny Renim-pianakaviana mpivarotra iray dia vokatry ny fananganana mpivarotra iray trano vy eo ampitan’ny hotel Carlton no nahatezitra ny kaominina, antony nanakana azy ireo tsy ho afa-mivarotra ihany koa. Na izany aza anefa hoy izy ireo dia mpivarotra mandoa ticket ara-dalana izahay no sady miezaka manaja ny fahadiovana mba hisian’ny fiaraha-monina mirindra. Notsindrian’izy ireo fa olona mamelona vady aman-janaka izy ireo, tsy mitady korontana na disadisa fa mitady izay kely hiditra any am-paosiny kosa. Notsindrian’izy ireo moa fa tsy tokony hanao fihetsika mahery aminy ny polisy kaominaly. Ny hamongorana ireo mpangalatra be dia be eran’ny tanana no tokony hifanomezan’izy ireo tanana amin’ny polisy hafa namany hoy hatrany ireo mpivarotra fa tsy ny fiveloma’ny madinika indray no potehina.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo sora-baventy nolanjain’ny mpivarotra omaly niazo an’i Soamanatombo
Nanapa-kevitra ny hanangona ireo vy manodidina ny toerana misy ny orinasa ireo mpiasa any amin’ny Orinasa Kraoma any Brieville,
Tsy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ihany no miaka-bidy eny an-tsena amin’izao. Ho an’ireo tantsaha mpamokatra ihany koa mantsy dia midangana izaitsizy ny vidin’ny zezika,
Sambany nitsidika ny faritra atsimon'i Madagasikara izay tratry ny haintany ny Ambasadaoro Amerikana Pierangelo. Nanamafy ny fanohanan’i Etazonia ny fampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika
Miomana amin’ny taom-pambolena manaraka ny tantsaha ao amin’ny Kaominina Fiombonana Distrika Antananarivo Atsimondrano.
Nahazo vary avy tamin'ny fitondram-panjakana tarihin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Mpiasan'ny SECREN ((Société d’Etudes, de Construction et de Réparation Navales)