airtel

Sosialy

28-févr-2022

Sosialy

Antananarivo Manapotika fihariana ny delestazy

Sample post image

Miverina indray, raha ny hita ny faran’ny herinandro teo teny amin’iny boriboritany fahatelo sy ny manodidina eto Antananarivo renivohitra iny, ny fahatapahan’ny herinaratra maharitra.

28-févr-2022

Tapaka iray minitra dia miverina iray minitra in-telo teo ho eo dia tapaka tanteraka avy. Isan’ny nitranga teny Ambohitrakely sy ny manodidina teny ohatra izany ny sabotsy teo anelanelan’ny tamin’ny 6 ora hariva hatramin’ny tamin’ny 7 ora sasany hariva.Nisy ihany koa ny sabotsy sy omaly alahady mponina avy amina faritra maromaro toa ny eny Andraisoro nitaraina noho ny fahatahan’ny herinaratra.Eo ny antony noho ny fianjeran’ny andrin-jiro, fa misy ihany koa ny antony tsy fantatra hoe inona marina. Inoana fa efa fantatr’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny fiantraikan’izany eo amin’ny tontolon’ny fihariana andavan’andron’ireo mponina sy ny fiainany amin’ny ankapobeny mihitsy. Firifiry moa izao ireo fitaovana mandeha amin’ny herinaratra no simba? Firifiry ireo sakafo lo na misy fofona voatery hariana satria tsy afa-mitahiry azy ny vata fampangatsiahana noho izay fahatapahan’ny herinaratra tsy voafehy izay? Maika ny vahaolana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap