airtel

Sosialy

07-juin-2021

Sosialy

Antananarivo Miha ratsy ny tsena ho an’ireo mpivaro-kena

Sample post image

Toy ny nandatsa azy ireo ny fandehan’ny tsenan’ireo mpivaro-kena teto an-drenivohitra tamin’ny faran’ny herinandro teo.

07-juin-2021

 

 

 

 Raha tsy naharaka mihitsy mantsy ny entana nalain’izy ireo rehefa faran’ny herinandro mialohan’ny fihibohana teo aloha dia nifanohitra tamin’izany tanteraka nanomboka ny Sabotsy teo. Toa nolalovan’ny ankamaroan’ny olona fotsiny ny mpivaro-kena ka na 40 kg aza ho an’ny mpivarotra iray tetsy Isotry notsotsofina vao lany. Raha araka ny fanazavan’ny mpivarotra iray dia toa tsy taitra intsony tamin’ny fividianana sakafo ny olona raha vantany vao nivaha ny fihibohana. Naleon’izy ireo aloha mitady vola avokoa ka rehefa mahita vao mividy. Tsy voafetra toy ny teo aloha rahateo intsony ny fotoana hahafahana miantsena. Maina toraka izany ihany koa ny tsenan’ny lamba…. eny fa dia ho an’ny akanjo mafana aza. Nitazatazana fotsiny ihany ny ankamaroan’ny mpiantsena ka saika velon-taraina avokoa ny mpivarotra rehetra.

Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap